Politique

Alliance Démocratique Nandroso soso-kevitra hamahana krizy any amin’i Chissano


  • Talata 29 Jona 2010


«Miandraikitra ny fampandehanan-draharaha ankapobeny, manomana ny fifidianana ao anatin’ny mangarahara sy ny fahalalahana, andraisan’ny vahoaka rehetra anjara, izay no anjara andraikitry ny governemanta tetezamita. Ireo ankolafy telo ihany no nanaja ny soatoavina, toraka izay ihany koa ny satan’i Maputo sy Addis Abeba miaraka amin’ireo fanovana tokony ho natao». Izany no soso-kevitra avy amin’ny Alliance Démocratique, eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana, nomena an’i Joaquim Chissano, lehiben’ny ekipa mpanelanelana iraisam-pirenena amin’ny krizy eto Madagasikara.

Ho an’ny Alliance Démocratique dia mety hanana ny rariny i Lahiniriko Jean raha handimby an’i Andry Rajoelina hitarika ny ankolafy Rajoelina, rehefa nisintaka ity farany, satria i Lahiniriko no laharana faharoa taorian’ny filoha voafidim-bahoaka tamin’ny fifidianana natao ny taona 2006. I Lahiniriko Jean rahateo dia filoha lefitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Anisan’ireo nanohitra mandrakariva ny fampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ny tafika. Taorian’ny dinika tany Pretoria dia betsaka ireo fiovana nitranga. Nosoloina avokoa na ny ministry ny foloalindahy na ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimaria. Nialoha ny dinika Pretoria dia tonga nanao antso avo tamin’ny filohan’ny FAT sy ny praiministry ny FAT tany amin’ny lapan’Ivaloha ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Razafindrakoto Bruno, sy ny lehiben’ny etamazaoro, ny jeneraly Ndriarijaona André, amin’ny tokony hifanarahana hisian’ny fankatoavana iraisam-pirenena. Ankoatra izay, hoy ny Alliance Démocratique dia notsipahin’ny foloalindahy tamin’ny alalana fanambarana an-gazety ny soso-kevitr’i Andry Rajoelina hanao governemanta ifandrimbonan’ny miaramila sy ny sivily, fa amin’ny anaran’ny tenany manokana ireo miaramila te hirotsaka amin’izany governemanta izany.
 
Manoloana ireo, hoy ny Alliance Démocratique dia ilaina ny fandraisan’anjaran’ny tafika, ny zandarimaria, ny polisim-pirenena mandritra ny fihaonan’ireo lehiben’ny ankolafy efatra. Ho an’ny ny Alliance Démocratique moa dia tsy azo atao takalon’aina noho ny tsy fisiam-piniavana avy amina ankolafy iray ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Noho izany, dia tonga ny fotoana hampiharana ilay atao hoe : ‘exceptio non adimpleti contractus’, na koa adika tsotsotra hoe fampiharana noho ny tsy fanarahana na tsy fanajana antokon’olona na olona iray izay nifanekena. Raha ny zava-misy ankehitriny, araka ny fanazavana, dia ny ankolafy telo no vonona hampihatra ireo nifanarahana. Izay indrindra no nahatonga ny Alliance Démocratique hanolotra ity soso-kevitra ity.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT