Politique

«Alliance Démocratique» Ahiana ny adim-poko raha …


  • Alakamisy 15 Aprily 2010


Niala tamin’ny fahanginany ka naneho ny heviny manoloana ny resabe mandeha amin’izao fotoana izao ny «Alliance Démocratique», ivondronan’ny antoko Teza, MFM, Madagasikara Firaisankina, AMF/3FM, raha namory mpanao gazety tao amin’ny trano fonenan’i Manandafy Rakotonirina ao Ampefiloha omaly. Hentitra ry Manandafy Rakotonirina nilaza fa tsy azo eritreretina ny hisian’ny fihaonana manokana eo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina, any Johannesbourg araka ny feo miely. Ny fisisihana hanatanteraka izany fihaonana manokana izany dia midika ho fanilihana ny filoha roa, izay voafidim-bahoaka ary manana ny mpomba azy, Didier Ratsiraka sy ny Pr Zafy Albert. Naneho ny ahiahiny ny «Alliance Démocratique» nilaza fa ahiana mafy ny adim-poko eo anatrehan’izany satria tsy ho vitsy no handray izany ho raharahan’ny samy Merina. Mikasika ny tetezamita indray dia nambaran-dry Manandafy fa tsy azo irotorotoana io, toy ny tamin’ny andron’i Guy Willy Razanamasy, izay niverenan’izy ireo notsiahivina, ka namoahana ny «Livre Blanc» tamin’izany. Nanamafy izy ireo fa dia ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ihany no lalana hivoahana amin’izao krizy izao.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT