Politique

Alemaina Manamafy ny tsy fankatoavany ny fitondran’i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010


Ny 04 novambra lasa teo dia nisy ny fihaonana teo amin’ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’ireo delegasiona parlemantera alemaina izay notarihin’i Hartwig Fisher sy ny ambasadaro alemaina ao Afrika Atsimo, Dieter W. Haller. Tao Pretoria no nanatanterahana izany, nandinihana manokana sy niresahana betsaka ny zava-misy eto Madagasikara. Nanamafy àry ireo delegasiona alemaina ireo fa tsy hankato mihitsy ny fitondran’i Andry Rajoelina. Tetsy andaniny anefa dia nilaza izy ireo fa manohana ny ezaka ataon’ny SADC amin’ny famahana ny olana.

Nandritra izany fotoana izany dia nanamafy ny Filoha Marc Ravalomanana fa tsy handray anjara amin’ireo fifidianana karakarain’ny FAT satria dia mandeha ila izany, tsy hampirisika ny vahoaka hanao ENY na TSIA ihany koa fa hanao sy hihevitra izay fifidianana karakarain’ny FAT ho toy ny tsy misy.
Nampanantena kosa ny delegasiona alemaina fa hiezaka hanome fanampiana amin’ny famahana izao olana izao ka hisy fivoriana maika hatao any Alemaina ato ho ato.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT