Politique

Alarobia Amboniloha Naneho hevitra ireo tsy mankasitraka fifidianana


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2010


Tsy nampiasa takelakazo hametahana afisy ary tsy miandry radio na fahitalavitra hanehoan-kevitra fa dia nampiasa ny zava-misy teo aminy ny KMFB Alarobia Amboniloha nentiny nanehoana hevitra manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Raisinay ny andraikitra, hoy izy ireo fa efa halohalika ny ranombary. Nanao hetsika am-pilaminana ka nisafidy ny hidina an-dalambe ary nitety ireo kartie maromaro amin’iny Alarobia Amboniloha sy Ivandry iny ny KMFB eny an-toerana ny sabotsy teo nanehoan’izy ireo tsy fankasitrahany ireo fifidianana misesy karakarain’ny FAT ary heveriny hotanterahina ato ho ato. Nifamotoana vao maraina teo amin’ny fitsarana fiarakodia eo Alarobia izy ireo, avy eo nihazo an’i Ivandry tampon-tanàna, nidina ny Lycée teknika Alarobia nahazo ny sinimben-drano Alarobia, avy eo nandalo an’i Mahatony nipaka tany Soavimasoandro. Nitondra sorabaventy sy nanazava tamin’ny olona, tamin’ny toerana rehetra nolalovany ny antony tsy hankasitrahan’izy ireo io fifidianana io. Araka ny fantatra dia manomana hetsika goavana izy ireo ato ho ato. 

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT