Politique

Alaotra Mangoro Miantso fitoniana ny lehiben’ny Faritra


  • Zoma 18 Janoary 2013

Ambohipihaonan’ny mpanao politika ao anatin’ny Faritra Alaotra ny tao amin’ny toeram-ponenan’ny lehibe ny Faritra Alaotra Mangoro, Dr Ramandehamanana Richard ny alarobia hariva teo.

 Fifanakalozan-kevitra sy fifanomezana toromarika ary fanehoan-kevitra mahakasika ilay fanambarana nataon’i Andry Rajoelina no votoatin’ny dinik’izy ireo. Ny lehiben’ny Faritra amin’ny maha raiamandreny azy no nanasa ny mpanao politika rehetra. Ny MDM sy ny TIM izay nametraka fialan-tsiny noho ny tsy naha tao an-toerana azy ireo, no tsy tazana. Samy nilaza ireo rehetra nandray anjara fitenenana fa zava-dehibe ny fametrahana fitoniana mba hizoran’ny fifidianana amin’ity taona ity. Mandalo ny politika fa ny fampandrosoana ny Faritra Alaotra Mangoro dia mitohy hatrany. Nanome toky ireo mpanao politika fa tsy ho avy amin’izy ireo mihitsy no hiavian’ny korontana fa ny fifanajana no tsara apetraka dia mandeha ho azy ny sisa rehetra. Nohamafisin’ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro fa hatao fanao ny diniky ny mpanao politika tahak’io mba hahafahana mampandroso hatrany ny Faritra.

 
Niry A.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT