Na dia nambaranay ombieny tamin’ny alalan’ny onjam-peo maro samihafa ireny aza, hoy ny CT Rasoamalala Odette Brenda, fa tsy maintsy ho kandidŕ ny Filoha Marc Ravalomanana.
Taorian’ny fanamarinana ny tsingerintaona nahaterahany anefa dia nanao fanambarana izy hoe : “izaho tsy hilatsaka”. Izay zavatra izay aloha dia aoka tsy hanaitaitra antsika, hoy ny CT Brenda, fa “ny fahatongavany eto Madagasikara no zava-dehibe”, hiarahany amintsika vahoaka Malagasy rehetra. Matoky an’i Dada tanteraka isika ny amin’izay.
Rehefa tonga izy dia manana zo ara-dalàna isika hangataka aminy hoe : miverena ianao prezidà, milatsaha ianao prezidà raha mbola mamintsika izy. Ka mampirisika izahy hoe : soraty anaty lisi-pifidianana ny anarana sao hanenina indray rehefa tonga ny fotoana hilàna izany. Mahita tsara isika ny ataon’ireo mpitondra ankehitriny izay mihenahena amin’ny fanapahan-keviny. Tsy manaiky lembenana kosa izahay amin’ny fanapahan-kevitr’olon-tokana izay mifanohitra amin’ny fanaovana sonia an’ilay tondrozotra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.