Mbola tsy mazava tsara ny fanapahan-kevitra momba ny famotsoran-keloka noraisin’ireo mpizaika nandritra ny fihaonambem-pirenena teny Ivato araka ny fanehoan-kevitry ny profesora Alain Tehindrazanarivelo, praiministra lefitra misahana ny fahasalamana teo aloha tao anatin’ny governemanta FAT, izay anisan’ireo mpanao politika mivondrona eo anivon’ny ESCOPOL, ary voatonotonona teo aloha teo ho anisan’ireo mety ho votendry ho praiministry ny marimaritra iraisana.
Nametra-panontaniana moa izy ny amin’ny hoe : fa nahoana no 2002 ka hatramin’ny 2008 ihany no nekena, ary maninona no nasiana fepetra manjavozavo ny fanomezana ny famotsoran-keloka ho an’ny raharaha 2009 – 2010 ? Raha ny fahitany aza anefa dia noho ny raharaha politika no nanenjehan’ny fitsarana sy nanagadrana ny ankamaroan’ny olona. Zavatra mpitranga teto amintsika izany, hoy ny profesora Alain Tehindrazanarivelo : «rehefa tsy mitovy fomba fijery amin’ny mpitondra ny vondron’olona na mpanao politika sasany dia amoronana dosie momba ny ady heloka tsotra na ady heloka bevava, dia hihazakazahana ny fitsarana sy ny fampidirana am-ponja azy rehefa avy eo». Afaka milaza ny manam-pahefana aorian’izay fa tsy noho ny fanehoan-keviny velively no namonjana ilay mpanao politika, fa noho ny fandikan-dalàna nataony, koa dia mihatra aminy tahaka ny atao amin’ny olom-pirenena tsotra ny didy aman-dalàna.
Ho azy dia karazana adihevitra tsy mitombina no natao momba ny famotsoran-keloka teny Ivato satria tsy mampisongadina mihitsy ny foto-pisainana malagasy mandala ny fihavanana. Nambarany mantsy fa midika ho fifamelana izany famotsoran-keloka izany fa tsy sanatria natao fotsiny handetehana ny hafa tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Milaza ny ho vonona amin’izay mety ho fanelanelanana ho tanterahin’ny CNOSC ato ho ato moa ny Pr Alain Tehindrazanarivelo, izay filoha nasionalin’ny antoko ENINA, saingy mitaky kosa mba hatao mazava tsara ny fomba fanatanterahana izany. Mikasika kosa ny mety ho fanagadrana ny mpanao gazety dia nambarany fa tsy mety izany ary tsy mendrika ny firenena mandala ny demokrasia toa an’i Madagasikara, anisan’ny miady ho amin’ny fahafahan’ny tsirairay maneho hevitra, ny antoko misy ahy, hoy i Alain Tehindrazanarivelo ary tsy afaka ny hanaiky izany eritreritra hanagadra ny mpampita vaovao noho ny asa ataony izany mihitsy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.