Politique

Alain Ramaroson Samy nananika Lapa ny 10 aogositra 1991 sy 7 febroary 2009


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Samy nananika Lapa, araka ny tantara malagasy sy vahoaka Malagasy ny hetsika tamin’ny 10 aogositra 1991 sy ny 7 febroary 2009, hoy i Alain Ramaroson.

 Rehefa manao be marenina ny mpitondra, hoy izy dia mandray andraikitra miala nenina ny vahoaka, mandefa ny solontenany hifampidinika farany ary nihetsika taorian’izany rehefa tsy nisy valin-teny mazava. Ny zavatra nitolomana tamin’ny 1991, hoy izy dia ny fitakiana ny fampiharana ny demokrasia sy ny fanafoanana ny fanamparam-pahefana, dia izay ihany koa no nisy tamin’ny 2009. Ny dikan’izany dia mila manaja ny tantarany ny Malagasy fa raha tsy izany dia tsy homen’ny olona ny hasiny. Nambarany fa tsy maintsy ventesina isan-taona ny fahatsiarovana ny datin’ny 10 aogositra satria rahalahy sy anabavy ary raiamandreny sy zanaka maro no lavo tamin’iny. Mitaky ny tokony hanaovana ho andro tsy fiasana ny 10 aogositra sy 7 febroary ny tenany ho fanajana ny maritiora (?)

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT