Ambonin’ny disadisa ara-politika ateraky ny tsy fitovian-kevitry ny mpanohitra sy ny mpitondra sy ny olana ara-tsosialy maro raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fandriampahalemana dia manamarika ny fiafaran’ity tetezamita ity ny ady an-tranon’ny samy mpitondra FAT.
Vao vaky ambatolampy indray izao ny fisaraham-bazan-dry Pety sy Voninahitsy izay namana tsy nifankafoy raha ny niheverana azy. Fa ny tena mahamay dia ny olana misy eo amin’i Hajo Andrianainarivelo sy Alain Ramaroson izay mahakely finoana ny hivahany satria ny andaniny maharary fa maty anaka, ny faharoa kosa tsy manaiky lembenana noho ny fanalam-baraka azy. Raha nanontaniana ny fivoaran’ny toe-draharaha i Alain Ramaroson omaly dia nilaza fa be ireo nitabataba sy nihevi-tena ho tsy voakitika teto nefa sesitany ankehitriny.
«Misy fotoana hipetrahana amin’izay dia mangina tanteraka», hoy izy tamin’ny fihetsika tony dia tony. Mahalasa saina ihany io fihetsiny io izay tsy mahazatra loatra. Misy zavatra efa fantany ve any ambadika sa inona ? Ny tenany koa ve no tiany holazaina na hafatra miampita any amin’ny VPM io.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.