Ny datim-pitsarana tsy voafaritra, izy anefa marary ao am-ponja. Misedra fahasahiranana i Alain Ramaroson, eny hatramin’ny fianakaviana aza.
Raha ny loharanom-baovao dia misy ifandraisany amin’ny fo ny aretina mahazo an’ity filoha nasionalin’ny antoko Masters ity. Raha tsiahivina dia, adim-pianakaviana no nidirany am-ponja vonjimaika nanomboka ny 3 aogositra 2016, resaka tany lova. Roa volana aty aoriana, tsy misy mangirana ny aminy. Vao maika aza misosoka ny fitoriana azy, ka nanaovana famotorana azy tany am-ponja sy nanaovany miaka-midina teny amin’ny Fitsarana Anosy. Ireo mpiara-dia amin’i Alain Ramaroson dia mihevitra ity fitazomana azy am-ponja ity ho misy ambadika politika. Tsy misalasala manankiana ity fitondrana Rajaonarimampianina ity rahateo ny tenany, ary mpanao vaky bantsilana ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fahaiza-mitantana ary koa ny kolikoly sy ny fandrobana harem-pirenena. Mandram-pisy fitsarana dia miitatra ny andro ijanonany ao amin’ny fonja Antanimora.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.