Hiakatra fitsarana anio talata 6 jona i Alain Ramaroson raha tsy misy ny fiovana. Tsiahivina fa efa mananika ny 10 volana izao no nampidirana am-ponja azy eny Antanimora.
Resaka ady lova no nambara ho nampidoboka am-ponja azy, saingy maro no mihevitra fa misy ambadika politika ihany ny fanagadrana azy, izay tsy hay na mba ho afaka amin’izay na mbola hihidy eny Antanimora ihany. Toa miady irery sy efa naloan’ny namany ity mpanao politika ity fa tsy arakaraka ny toerany tamin’ny andron’ny tetezamita. Ny olona akaiky azy ihany aza no voalaza fa tompon’antoka amin’ny fandentehana azy noho izy tsy mety miova hevitra, ka hangina sy tsy hanakiana intsony ny fitondrana HVM. Tamin’ny fotoana nanaovana ny Frankofonia no voalaza fa efa saika havoaka izy raha manaiky hiara-kiasa amin’ny fitondrana saingy nijoro hatrany tamin’ny heviny, ka vao mainka nilentika tanteraka. Mpanao politika anisan’ny nalaza tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 izy ary natanjaka tokoa saingy izao tratry ny enjika mavaivay izao. Na i Andry Rajoelina nampiany aza mety efa tsy mahatadidy ny anarany intsony. Andrasana izay ho valin’ny fitsarana, samy miandry ny rehetra. Raha ny zava-misy eny Antanimora kosa dia efa toa manorim-pihavanana tanteraka amin’ny gadra i Alain Ramaroson ary tsy dia manantena firy ny fiarahamonina ety ivelany satria na ny olona akaiky azy aza voalaza fa manadino ny fisiany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.