Telo volana any am-ponja izao i Alain Ramaroson. Fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka amin’ny taratasim-pandovana no nitorian’ny fianakaviany azy ka namoahan’ny Fampanoavana didy savaranonando fitazonana am-ponja vonjimaika nanomboka tamin’ny 3 aogositra 2016.
Hatreto dia tsy misy datim-pitsarana raikitra momba azy, vao mainka indray aza mitovana ny fitoriana an’i Alain Ramaroson taorian’ny nidirany teny Antanimora. Tsy ho alohan’ny frankôfônia aloha, raha ny loharanom-baovaonay. Ny loharanom-baovao hafa indray milaza fa mety hanao krismasy ao Antanimora ity filoha nasionalin’ny antoko Masters ity. Nifangaro tamin’ireo besinimaro voafonja i Alain Ramaroson tamin’ny nidirany tao Antanimora. Taty aoriana dia nafindra ao amin’ny kartie fantatra amin’ny anarana hoe : “Maputo”, nametrahana ireo gadra politika sivily sy miaramila tamin’ny tetezamita.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.