Politique

Alain Ramaroson “Atsaharo ny fihainoana ny findainay !”


  • Alatsinainy 04 Febroary 2013

Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny efitrano fivorian’ny lapan’ny Faritra Atsinanana, ny zoma tolakandro teo, ireo mpikamban’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita nanao fanadihadiana tao Toamasina naharitra 05 andro nifarana ny sabotsy teo.

 “Atsaharo manomboka izao io fihainoanareo ny findainay io raha tsy te-hahita raha ianareo. Mampitandrina ireo orinasa mpikirakira izany koa izahay mba hampitsahatra manomboka izao izany raha mbola tianareo ny hiasa sy hipetraka eto Madagasikara. Misy lalàna eto fa tsy izay iraka ampanaovina anareo dia tanterahanareo eto”, hoy i Alain Ramaroson tamin’ny teny hentitra sy feno fandraisana fepetra raha tsy mitsahatra ny zava-misy. “Efa hainay ny mpanome ny baiko amin’izany, efa fantatray koa ireo orinasa mpanaradrenirano tsy manaja lalàna ireo, ka ajanony dieny izao, sao hiharan’ny lalàna vao hibababa sy hiantso vonjy any amin’ny firenena niavianareo any”, hoy hatrany ity filohan’ny kaomisionina mpanao fanadihadiana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity.

Nohazavainy fa “ny Parlemanta ihany no afaka mamoaka lalàna amin’ny fanaovana izany raha hita fa tandindomin-doza ny firenena Malagasy. Tsy mbola nisy anefa ny lalàna mikasika izany nolanianay teo anivon’ny CT sy ny CST hatreto aloha. Zo fototry ny Malagasy voalazan’ny lalàmpanorenana ihany koa no dikaina izao, ka tsy azo leferina intsony izany fa tsy maintsy handraisanay fepetra”. “Tsy hampihemotra anay ny zava-misy sy tsy fanomezana vola anay manao izao fanadihadiana ataonay izao noho ny sakana ataon’Ambohitsorohitra. Mbola hisy kaomisionina faha-08 hatsanganay aza ato ho ato, ho fanaraha-maso ny fitantanana ny tetibolam-panjakana sy ny halatra natao tamin’ireo volam-bahoaka ary ny fahazoana fananana ‘manara-penitra’ tampoka tamin’ireo mpitondra ny tetezamita”, hoy hatrany ireto CST mpanao fanadihadiana ireo namarana ny fanazavany tao Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT