Politique

Alain Mahavimbina Herintaona naha lehiben’ny faritra Atsinanana


  • Alarobia 09 Jona 2010

Feno herintaona ny 05 jona teo ny nanendrena an’i Alain Mahavimbina ho lehiben’ny Faritra Atsinanana rehefa nisy ny fanonganam-panjakana teto. Andriamorasata Julien no nodimbiasany toerana.

Ho fanamariahana izany, dia nisy ny fotoam-bavaka tao amin’ny fiangonana katolika Fo Masin’i Jesoa Tanambao V ny alahady 06 jona teo niarahany tamin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy.

Maro ny zava-bita tao anatin’ny herintaona, hoy ny lehiben’ny faritra. Voatsidika avokoa ireo distrika fito mandrafitra ny faritra, tratra 80% kosa izany ho an’ireo kaominina sy ny fokontany mandrafitra azy. Anisan’ny namoahan’ny faritra vola betsaka ihany koa ny fanampiana ireo traboina tampoka vokatry ny loza samihafa, toy ireo hain-trano izay hita fa nirongatra be tao anatin’izay herintaona izay. Nambaran’i Alain Mahavimbina koa fa mitohy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ireo faritra vahiny efa mpirahavavy amin’ny Faritra Atsinanana, dia ny fiaraha-miasa amin’ny Région Rhône Alpes sy Région Basse et Haute Normandie. Ankoatra izay dia mbola voafidy hanaovana ny asa fanentanana sy fampiasam-bola mivantana amin’ny ady amin’ny Vih-Sida ny Faritra Atsinanana.
 
Raha fintinina izany, hoy hatrany i Alain Mahavimbina, dia tsara ny vokatra ny herintaona nitantanany ny Faritra Atsinanana, teo koa ny fitandroana ny filaminam-bahoaka niarahany tamin’ny Emmo-Reg-n’ny Faritra Atsinanana, tsy nisian’ny korontana loatra.
Etsy an-danin’izay anefa, dia azo lazaina fa mipetraka eo ambonina seza mihozohozo ny lehiben’ny Faritra Atsinanana. Efa ela mantsy no re ny saika hanoloana azy, izao anefa vao maika mihamafy sy maneno be ny feo milaza izany, indrindra taorian’ny fanovan-drafitra kasain’ny FAT atao amin’ireo rafitra sy olom-boatendry napetrany. Raharaha hafa indray ity, andrasana izay ho tena fahamarinany.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT