Araka ny fanambarana ofisialy navoakan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay ny faran’ny herinandro teo dia ho avy any Afrika Atsimo ary hanatrika ny fanaovan-tsonia ny drafi-pandaminana ny krizy eo amin’ny samy Malagasy ny sekreteram-panjakana frantsay miadidy ny fiaraha-miasa sy ny frankôfônia, Alain Joyandet.
Efa siosion-dresaka hatramin’ny herinandro lasa moa izy io, ary dia voamarina izany amin’izao fotoana. Ny nanitikitika ny saina dia tsy misy resaka hoe fanelanelanana intsony na adihevitra ny filazan’ny fanjakana Frantsay ny zavatra hitranga atsy Pretoria Afrika Atsimo, fa tonga dia hoe fanaovan-tsonia, araka io nambara tetsy ambony io. Toa mitovy tsy misy valaka amin’ny resaka nataon’ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina teny Analakely ny alakamisy hariva teo izany rehetra izany. Nambarany mantsy fa tsy misy fifandresen-dahatra na adihevitra izany intsony amin’ny fihaonana any Afrika Atsimo fa tonga dia sonia ny atao dia vita ny resaka. Ny ankolafy Ravalomanana anefa etsy an-daniny dia manamafy fa tsy nisy izany fifanarahana efa naseho azy ireo izany, fa adihevitra aloha no hatao mba hikarohana ny vahaolana mahomby ivoahana amin’ny krizy. Rehefa hita ny marimaritra iraisana ka mifanaraka ny ankolafy rehetra izay vao miroso amin’ny fanaovan-tsonia. Ka iza ary no milaza ny marina, ary iza no mandainga ? Raha ilay fandaharam-potoana aloha dia hoe misy ny fihaonana savaranonando handrafetana ny zavatra hodinihana, ary rahampitso talata no hitrangan’io. Hihaona sy hifampidinika kosa ny rehetra ny alarobia ary ny androtr’io ihany no ho raikitra ny fanaovan-tsonia. Mety hisy ao anelanelan’izay rehetra izay ny fihaonana manokana eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, mialoha ny fihaonan’ny filohan’ny ankolafy efatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.