Tsy dia hitondra fiovan-javatra manao ahoana, raha ny fanazavan’ny mpanao politika, Alain Andriamiseza, ny fanovana ny minisitry ny vola sy ny tetibola.
Efa tao ihany hatramin’ny naha minisitry ny tetezamita mantsy ny minisitra Vonintsalama Andriambololona. Tsy anadahin-drenintsika ny mpamatsy vola ary tsy afaka hiala amin’ny mpamatsy vola mahazatra isika, hoy izy. Efa nandramana teto, ny atao hoe « financement parallèle ». Raha tiana ny tsy holalaovin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia ilaina ny fanorenana ifotony, toy ny fametrahana mazava ny harem-pirenena. Voaviravira ny lalàmpanorenana ka mila ovana satria vokatr’io dia nihemotra laharana 12 amin’ny tany mahantra i Madagasikara hatramin’ny taona 2013 no ho nankaty.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.