Politique

Alain Andriamiseza “Izaho irery no nilaza fa hilatsaka …”


  • Zoma 11 Jona 2010

Ny fiainana tao amin’ny governemanta, ny krizy sy ny raharaham-pirenena ankapobeny, ny fifidianana, ireo no vantambantanin’ny Tia Tanindrazana amin’i Alain Andriamiseza, filoha nasionalin’ny antoko MCDM, mpandrindra ny FFM Foko 18, ary Minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina teo aloha, amin’ity anio ity, araka izao itaterana azy manaraka eto izao.

Tia Tanindrazana : Alain Andriamiseza, ianao ve no nangataka hiala sa nesorina no tsy tafiditra tao amin’ny governemanta Vital ?
Alain Andriamiseza : Rehefa nilaza ny filohan’ny tetezamita fa tokony hiala ato anaty governemanta izay hirotsaka amin’ny fifidianana dia izaho irery no nilaza avy hatrany hoe : hilatsaka amin’izay fifidianana rehetra ho avy eo ny antokoko. Mazava izany ny hevitro satria tsy ny fijanonana ao anaty governemanta no zava-dehibe fa ny fananganana ny Repoblika faha-4 mafy orina. 

Tia Tanindrazana : Raha tsiahivina fohy, inona marina moa izany ny iraka nampanaovina anao tao anatin’izay valo volana naha Minisitra anao izay ?
Alain Andriamiseza : Tsy misy iraka izany fa tao anaty governemantan’ny fisokafana aho dia manefa ny adidiko nifanandrify amin’izany ka anjaran’ny vahoaka no mitsara ny olona izay natao hitantana azy. Ny tantara no hanamarina na tsia ny adidy izay noraisiko.
 
Tia Tanindrazana : Tsy midika ho tsy fahombiazana tamin’ny fitantananao ny Minisiteran’ny jono ve ny fanesorana anao ?
Alain Andriamiseza : Ny minisiteran’ny jono irery no hany minisitera nisy fitokonana voavaha tamin’ny fotoana fohy sady nilamina. Na ianareo mpanao gazety ary zara raha nahatsikaritra an’izany ! Ny asa kosa dia ny bainga mivadika no vavolombelon’ny mpiasa ka aleo re ny vahoaka sy ny mpiasan’ny minisitera no hamaly an’izany.
 
Tia Tanindrazana : Ianao ve tsy nanenina niditra tao anaty governemanta Roindefo ny 08 septambra 2009 iny, raha izao no niafarany ?
Alain Andriamiseza : Tsy misy anenenana ny fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena satria adidy masina ho an’ny tanindrazana ary tsy nanana eritreritra hijanona ho minisitry ny jono mandrapahafatiko koa anie ny tenako ê. Ireo manao izay tsy hilaminana sy ny tsy hananganana ny Repoblika vaovao mafy orina no mety hanenina ato ho ato.
 
Tia Tanindrazana : Hijanona sa hanohy ny politika ianao taorian’ny governemanta ?
Alain Andriamiseza : Tsy voalohany aho no tao anaty governemanta ary tsy ho farany ihany koa. Tsy kilalao na fitadiavan-tseza fotsiny ny hanaovana politika fa fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena, ny mpiara-belona, ny ankohonana ary ny tenanao.
 
Tia Tanindrazana : Maty sa nampanginina ny MCDM fa toa ny FFM Foko 18 no andrenesana anao rehefa miteny tao ho ao izay ?
Alain Andriamiseza : Ny firaisankina no hery amin’izao fotoana izao ka ny Foko no maha Malagasy izay mampitambatra fa tsy mampisaraka. Io no mety vahaolana amin’izao krizy izao. Ny Malagasy tsy ankanavaka no tokony hiara-mijoro hanoro ny lalana tian’ny malagasy aleha fa tsy misy mafy tsy laitry ny zoto. Ny vahoaka no hery voalohany tsy misy maha tohitra fa tsy ny miaramila na ny fanjakana ; izay no fototry ny demokrasia.
 
Tia Tanindrazana : Ho avy ny fifidianana, miomana ho amin’izany ve ianareo, ary ianao, ho kandida ?
Alain Andriamiseza : Efa mazava ny hevitro matoa aho nahasahy nilaza fa hirotsaka hofidiana. Fa fifidianana inona, ary mangarahara toy inona ?
 
Tia Tanindrazana : Ny krizy anefa ity tsy hita mangirana amin’izay hifaranany nefa ny vahoaka mijaly. Tsy mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’izany ve ianao, izay anisan’ny voalohany teny ankianjan’Ambohijatovo ny 21 martsa 2009 ?
Alain Andriamiseza : Ny vahoaka no tompon’andraikitra voalohany, ary izy no tokony hanala izay hitany fa mahatonga ny krizy. Tsy efa nanao an’izany ve izy fa mbola mijaly ihany ny Malagasy ?
 
Tia Tanindrazana : Voasambotra ary nofonjaina ireny i Tonton Ambroise, mpiara-dia taminao tao amin’ny “Mouvance Légaliste”, nangina ianao, ny antony ?
Alain Andriamiseza : Izaho anie tsy nangina fa tsy nitabataba ê ! Ny zava-dehibe dia ny fanajana ny hevitry ny rehetra na tsy mitovy aza ny foto-kevitra. Izay no atao hoe : demokrasia ka ny fanitsakitsahina an’izay dia melohina tanteraka. Na ny fampiasana hery na ny fiteny tsy voahevitra dia samy tsy manaja an’io soatoavina io.
 
Tia Tanindrazana : Hiverina hidina an-kianja ?
Alain Andriamiseza : Tsy kilalao na fandaniana andro no mahatonga ny vahoaka eran’izao tontolo izao midina an-dalambe fa tolona sy fitiavan-tanindrazana nefa tsy eny an-dalana sy ankalamanjana ihany no afaka maneho ny hevitra entina mampandroso fa izao ataoko izao dia porofo mitohoka amin’ny tenda.
 
Tia Tanindrazana : Hamaranana azy, hilamina ihany ve ity raharaha ity ?
Alain Andriamiseza : Ny fanahy no maha olona ary ny fitiavan-tanindrazana no maha Malagasy. Rehefa ny olona tia tanindrazana no mitondra dia hilamina ny firenena.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT