Manamafy i Alain Andriamiseza, filoha nasionalin’ny antoko MCDM sady mpitarika ny FFM fa ilaina ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana tetezamita, mba hahafahana miroso amin’ny dingana manaraka, tahaka ny fikarakarana ny fifidianana ohatra.
Noho izany dia ilaina ny fandraisan’anjaran’ny maro an’isa amin’ny dinika politika, araka ny nambarany. Tokony hatao ihany koa izay haharesy lahatra ny ankamaroan’ny antoko politika ka hanasonia ilay fifanarahana aorian’ny ady hevitra sy ny fifampidinihana, araka ny nambarany ihany. Tsy afaka mandeha lavitra izany isika, hoy i Alain Andriamiseza raha vao tsy manaiky ny fitondrana tetezamita mijoro eo ny sehatra iraisam-pirenena. Nambarany fa na ny vola hanaovana ny fifidianana aza dia ho olana goavana raha tsy misy ny fanampiana avy any ivelany. Ho an’ity mpanao politika ity izany dia mila maharesy lahatra ny fikambanambe iraisam-pirenena ny fikambanan’ny antoko politika, miaraka amin’ny FAT fa efa hita ny marimaritra iraisana ary neken’ny rehetra ny vahaolana tapaka nandritra ny fihaonana teny Ivato. Efa hatry ny ela moa i Alain Andriamiseza no namerimberina fa ilaina ny fankatoavan’ny avy any ivelany, satria avy any ny fanampiana, na ara-bola io, na ara-teknika. Tsy hisy ihany koa ny mpanara-maso iraisam-pirenena ny fifidianana atao eto, raha toa ka tsy mbola mankato ny rafitra tetezamita misy eto ny sehatra iraisam-pirenena. Efa ministra tao anatin’izao fitondrana tetezamita izao moa ny filohan’ny MCDM, ary azo antoka fa mahafantatra tsara ny zava-misy amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ary tsy misy antony matoa izy miteny fa ho sahirana amin’ny lafiny ara-bola isika amin’ny fikarakarana ny fifidianana, raha toa ka tsy manampy antsika ny sehatra iraisam-pirenena. “Zéro” no nilazany azy io fony mbola teny an-kianja i Alain Andriamiseza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.