“Izao tontolo izao no efa miaiky fa mila miverina amin’ny ara-dalàna i Madagasikara ary tsy sitrany ny hiadian’ny Malagasy, porofo izany fa isika no mendrika hitondra”, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.
Nohamafisin’Ignace solontenan’ny mpitolona avy any Moramanga izany hoe : “rehefa vita ny fanitsiana ny sori-dalana ka tsy manaiky hanao sonia ny FAT dia tody amin’ny dingana vaovao indray ny tolona ary mipoa-tsatroka anareo eto Antananarivo izahay Moramanga. Raha tsy teo tokoa ny vahoaka dia niasa maina ny Filoha telolahy”. Nitoraka voninkazo an-dry Voninahitsy sy ny namany ity solontenan’i Moramanga ity mikasika ny resaka “bois de rose” nefa nilaza koa fa “tokony hohafainganina ny fanadihadianareo”. Nampian’i Manoela avy hatrany izany tamin’ny filazana fa : “eto Antananarivo no hatao ny sonia ka miomàna, tsy miala amin’ilay olona nitondra fandrosoana isika”. “Faniriana ny an’ny olombelona”, hoy izy, “fa ny Tompo no mandahatra. Daty sisa io”.
“Misaotra eram-po eran-tsaina ny CPS”, hoy i Tsianihy avy any Toliara, “manampy antsika ireny fananganana “cellule de crise” ao amin’ny CT ireny”. Nambaran’i Mima avy any Toamasina fa hanao fety tahaka an’Antananarivo omaly i Toamasina amin’ny alahady ho avy izao. “Bitsibitsiho ny olona fa ho avy i Dada ”, hoy i Parfait avy any Anjeva. Saika namatrapatratra ny tsy fankasitrahana ny politikan’ny Frantsay eto amintsika avokoa ireo nandray anjara fitenenana omaly tetsy Behoririka fa izay ho singanintsika dia ny voalazan’ny mpitari-tolona Donné hoe : “i Frantsa no maha eo amin’ny fitondrana an’i Andry Rajoelina” izay nofenoin’ny hafatra hafa hoe : “aza adinoina fa mizaka ny zom-pirenena frantsay ireo mpitondra amin’izao ireo ... Dia mbola fitondrana frantsay tokoa izany ny eto amintsika”.Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.