Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 31 jolay teo ny Dinika Santatra niarahan’ny Raiamandreny Mijoro sy “Coalition des organisations de la société civile” nikarakara. Saika savorovoro no niafarany tany amin’ny distrika maro tany, noho ny resa-bola.
Na izany aza hevitra nivoitra niraisan’ny ankamaroan’ireo distrika ny hananganana tetezamita iaraha-mitantana ka hamaranana haingana izany, ny hanomezana famotsoran-keloka izay rehetra voakasiky ny raharaha 2002 sy 2009 ka hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena.
Ho an’ny Distrikan’i Toamasina I, izay nikaon-doha nandritra ny roa andro sy tapany tao amin’ny kianja mitafon’ny Soavita, dia niisa 200 mahery kely ny mpidinika tao an-toerana namaly ireo fanontaniana napetraka mialoha nomanin’ny mpikarakara.
Tetezamita
Hevitra nivoitra tao ny hoe : “arodano ny fitondrana tetezamita ankehitriny io fa tsy araka ny fanantenan’ny vahoaka itondrana fanovana sy fanavaozana ny fiainany. Atsangano kosa ny tetezamita tena izy, hiarahan’ny rehetra mandray andraikitra sy manapaka ary mampandroso ny tanindrazana. Atao faran’izay fohy tsy mihoatra ny enim-bolana izany ka harafitra miaraka ny tetiandrom-pifidianana hivoahana amin’ny krizy, ka averina ao anatin’izay ho mpanara-maso ny Parlemanta malagasy lanim-bahoaka”. Mitaky ny handravana ny CENI misy ankehitriny io koa ny mpizaika ka apetraka ny CENI eken’ny rehetra.
Famotsoran-keloka
Tsy niova tamin’ny heviny hatramin’izay ireo mpandray anjara satria ny ankamaroan’ny mpizaika tao dia efa nandray anjara tamin’ny fihaonambem-paritra ihany. Naverin’izy ireo hatrany fa “tsy hisy ny fihavanana ho vanona eto raha tsy misy io famelan-keloka io. Tsy anavahana olona na firehana izany fa omena izany avokoa izay voakasiky ny raharaha 2002 ka hatramin’izao 2010 izao ary honerana ny fananana, vola, harena, moraly simba sy very fananana ary potika nandritra izany”. Tsy ny gadra voasokajy ho politika ihany anefa no tokony hahazo famotsoran-keloka, fa ny voafonja rehetra raha tsy namono olona sy tsy nanodinkodina volam-bahoaka.
Lalàmpanorenana
Hentitra kosa teto ny mpizaika fa “tsy maintsy lalàmpanorenana roa no hatolotra hisafidianan’ny mpifidy, dia ny fanjakana federaly sy ny fanjakana tokana mametraka ny faritany mizakatena. Foanana ary hakana didim-panjakana vaovao ilay didim-panjakana 73.014 izay nanafoana ny teti-bolam-paritany. Tsy ekena raha latsaky ny 40 taona, taonam-pahamatorana, ny kandida ho filoham-pirenena. Avahana tsara ny fisaraham-pahefana misy ka asiana ny mpanara-maso ny mpanatanteraka izay ahitana ny Kongresy sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpanohitra.”. Hetahetan’ireo mpizaika ny hanasarotana ny fomba atao amin’ny fanovana ny andininy na ny andalana amin’ny lalàmpanorenana.
Ankoatra izay, dia hita nandritra ny roa andro sy tapany ihany ny disadisa sy ny tandrametaka ary ny tsy fifehezana ny dinika natao ka mazàna no andaniana ora iray ny fandaminana sy ny fifamaliana. Voafidy io sabotsy io koa ireo 14 mianadahy hitondra ny soso-kevitr’i Toamasina amin’ny dinika nasionaly, tarihan-dRamerison Auguste, mpitarika ny Raiamandreny Mijoro Toamasina I.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.