Politique

Aimé François Miaro mafy an’i Tongavelo Athanase


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010

Namoaka ny heviny mikasika ny fitokonana sy grevy misy ankehitriny i Aimé François na Sambahita, filohana fikambanana zanak’i Toliara sy filohan’ny faritra 21 ary mpianatra toekarena ao Barikadimy Toamasina.

Aminy dia “fitokonana politika sy tohanana mpanao politika avokoa ireo fitokonana misy ankehitriny ireo, manomboka amin’ny grevin’ny SMM izany, ny fitokonan’ny mpianatra sy ny SECES eny Ankatso, ny zava-misy ao amin’ny port”. Navahany manokana anefa ny zava-misy eny Ankatso isian’ny fitokonan’ny mpianatra sy ny mpampianatra mpikaroka, izay tena mibaribary hoy i Sambahita, fa “tena misy iraka politika sy tanana mpanao politika mihitsy”. Nohamarininy koa fa tsy eken’izy ireo ny filazana sy ny fitakiana ny hanalana ny ministry ny fampianarana ambony narangarangan’ireo mpitokona teny Ankatso, satria «zanaky ny faritra nahazo toerana ambony izy ka arovanay hatramin’ny farany”.

Nambaran’i Sambahita hatrany fa handray fepetra mifanaraka amin’izany izy ireo raha misy ny fialana na fanalana na fanilihana ny ministry ny fampianarana ambony. Tsy nambarany kosa hoe : inona no hetsika hataon’izy ireo manolona izany raha hitranga. Ankoatra izay, nambaran’ity filohan’ny fikambanan’ny zanak’i Toliara sy faritra 21 ao Barikadimy ity koa fa “tsy azo ekena ny fanalana ny praiministra Camille Vital amin’izao tetezamita efa hifarana izao. Tsy mpanao politika rahateo izy fa teknisiana miaramila, ka aleo hiasa ny mahavita”. Efa manomboka mangotraka koa izany ny tontolo iainana ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ka ho hita eo indray ny fandehany satria raha misy ny fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta dia mety ho anisan’ny ho lasa noho ireo olana tsy voavahany ity ministry ny fampianarana ambonin’ny FAT ity. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT