Politique

Ahiana hafana indray anio Hotsaraina etsy Anosy i Fetison sy ny tariny


  • Talata 23 Novambra 2010

Anio no hatolotra ny Fitsarana etsy Anosy i Fetison Rakoto Andrianiaina, Zafilahy Stanislas ary ny Pastera Edouard.

Anio ihany koa no hahafantaran’ny fianakavian’izy ireo izay tena nanjo azy ireo nandritr’izay andro vitsivitsy tsy nahitana sy tsy nahazoam-baovao momba azy telo lahy izay. Ny alin’ny alarobia lasa teo izy ireo no nalaina tao amin’ny fonjan’Ambatolampy ary nentina tany Fianarantsoa. Nisy fiara 4X4 indray naka ireo tany ary nanomboka teo dia tsy hita intsony izay nanjavonany. Mipetraka ary ny fanontaniana hoe sao dia mba natao takalon’aina kosa ireto mpitarika ny ankolafy telo ireto ? Anisan’ny andrandrain’ny maro ny andro anio na dia ny mba hahitana azy telo lahy velon’aina soa aman-tsara fotsiny ihany aza. Raha hiverenana indray ny amin’ny antony nitazonana azy ireo dia mahakasika ny fitarihana olona mba hivory etsy Malacam kanefa tsy nahazoana alalana. Rehefa nisy ny haterezam-bahoaka ka niafara tamin’ny fanaovana barazy dia izy ireo no voalaza fa tompon’andraikitra voalohany. Marobe ny olona no efa miandry ity fitsarana anio ity ary andrandraina ny fivoahan’ireto mpitari-tolona ireto tsy misy hatak’andro ny fonja. Ho hita eo ihany koa ny tena fahaleovantenan’ny fitsarana izay dradraina hatrany ary hiadiavan’ireo mpitsara mafy tamin’ity krizy ity. 

Fa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT