Efa-bolana lasa izay, izany hoe ny 21 febroary 2017 no namoahana teto ny lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe :”Fitondran’ny HVM, fanjakan-jiolahy”.
Famakafakana izay manaporofo isan’andro ny fahamarinany satria tena ambony ambany noho ny fandikan-dalàna ny eto amin’ny firenena. Manala baraka ny tsy fahaiza-miasa. Vao tamin’iny herinandro nivalona iny, tsy manaja ny lalàmpanorenana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny mariboninahi-pirenena, hoy ny HCC satria ny sonian’ny filohan’ny antenimieram-pirenena irery no ao fa tsy misy ny an’ny filohan’ny antenimierandoholona. Tokony ho nankatoavin’ny antenimiera roa tonta mantsy vao manankery ny lalàna iray. Anisan’ny hadalan’ny fahefana mpanao lalàna eto Madagasikara io. Ny raharaha Claudine Razaimamonjy moa dia azo antoka fa hiteraka revolisionina kely mihitsy eo amin’ny tontolon’ny fitsarana. Manomboka izao dia mety ho maro ny olona tsy hanaiky hiditra eny Antanimora intsony raha vao nahazo MD fa manao marary dia tsaboina eny amin’ny hopitaly aloha, avy eo mipetraka amina toerana manokana. Manao kabary ambony vavahady fotsiny ny filoham-pirenena avy eo ka milaza hoe tsy hiditra amin’io raharaha io fa mijanona ho raiamandreny. Tsy izany ve no fialana bala amin’ny fomba mihaja ? Ny minisiteran’ny fitsarana moa dia moana tahaka ny trondro, tsy handrenesam-peo, tsy manome vaovao ofisialy ka tsy atao mahagaga raha mitombo isan’andro ny honohono. Fa inona no tsy hanambarana mazava ny tena marina momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy ? Aiza marina izy ? Raha nafindra toerana dia aiza ? Inona no antony namindrana azy fa tsy nitazonana azy ao amin’ny fonjan’Antanimora ? Mahita ny mpanara-baovao sy ireo mpamakafaka ny raharaham-pirenena fa mety ho very an-javony fotsiny ary tsy hisy tohiny ity raharaha Claudine R ity. Ny antony dia satria olo-maventy maro eto amin’ny firenena no mety hosaringotina ao. Mety ho mpitondra fanjakana ambony io, mpitsara, mpitandro ny filaminana, mpandraharaha, olom-boafidy…ka mahatonga izao sangodim-panina rehetra izao. Azo antoka mantsy fa raha mandeha tokoa ny fitsarana dia tsy maintsy hiaro tena ka hamoaka tsiambaratelo eo Rtoa Claudine Razaimamonjy dia hiseho masoandro eo daholo ny raharaha maizina. Mahafantatra tsara izany ireo mpamatsy vola, tsy mahatoky ireo mpitondra fanjakana ka io tsy mety miroboka mamoaka vola be io sao any am-paosin’ny sasany fotsiny fa tsy hampandrosoana firenena akory. Fehiny, mahazo vahana eto ny kolikoly avo lenta ary tena maloto hatrany an-tampony ny fitantanana ny firenena. Raha ny mpitarika sy ny mpitantana moa no efa maloto dia amin’ny fomba ahoana no hanadiovany ny firenena sy hitarihany ny vahoaka amin’ny lala-mahitsy ? Araka izany, fanapotehana no misy eto fa tsy fampandrosoana mihitsy satria mirodana tsimoramora ny rafi-pitantanana misy, ary izay manam-bola sy lava tanana ihany no avotra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.