Politique

AFABE Tsy matahotra fifidianana ka hirotsaka eny Atsimondrano


  • Talata 02 Aogositra 2011

Tsy mampaninona ny AFABE na inona na inona fifidianana hipoitra eo, hoy ny filohany Andriamparany Doudou Michel.

 Ankasitrahan-dry zareo, araka izany, ny fifidianana Kaominaly sy rejionaly fa tsy manelingelina velively ilay tondrozotra natao sonia teny Ivato mihitsy izy ireo satria tsy ao anatin’izy io. Sady efa tapitra amin’ny volana desambra 2011 ihany koa ny fotoam-piasan’ireo olom-boafidim-paritra eto amintsika ka firosoana amin’ny fanarahan-dalàna avy hatrany mba tsy hisian’ny fanendritendrena PDS samihafa eo ny firosoana amin’ireo fifidianana ireo, hoy ihany i Doudou Michel. Nanamafy ity mpanao politika ity fa vonona amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana eny amin’ny distrikan’Atsimondrano izay be mponina indrindra aorian’Antananarivo Renivohitra ny AFABE ary tsy matahotra izany velively fa sady efa nandray anjara ry zareo teo aloha ary anisan’ny nahaverina ny «caution» niaraka tamin’ny TIM teo amin’ny fifidianana solombavambahoka sy mpanolotsaim-paritra tamin’ny taona 2007 no efa fantatry ny olona koa tamin’ny asa sosialy marobe nataony teny an-toerana.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT