« Vonjeo ny lycée Toamasina II fa ataon’ny ‘Domaine fahirano, izahay vahoaka iombonana Besakay dia manohitra ny herisetran’ny mpanam-bola haka an-keriny ny taninay, narodan’ny mpanam-bola ny sekolinay ka nofefeny, dia ho aiza izahay ankizy eto Ambalamanasy ».
Sombiny tamin’ireo sorabaventy narantin’ireo mponina ao Toamasina II, hanoherana ny fakana an-keriny ny taniny ataon’ireo mpanam-bola samy hafa niisa am-polony ireo voalaza ireo. Milaza mantsy ireto mponina ao Toamasina II ireto fa « be loatra ny ‘titre’ na tany ambony latabatra izay tsy mahalala akory ny tena zava-misy eny ifotony, nefa izay fomba izay no entin’ireo mpanam-bola mibodo sy maka ny taniny ary mandroaka azy eo ambonin’ny fananany ». Nambaran’ireto mitaraina ihany koa fa « efa ny taona 1985 izy ireo no nanajary ny tany tao Toamasina II, izay namindrana ireo olona te hiompy sy te hamboly. Ankehitriny tonga tanàm-be ilay atiala fahiny ary betsaka amin’izay ireo milaza ho tompony ambony latabatra ».
Fantatra izao, araka ny fitarainan’ireto mponina ao Toamasina II ireto fa misy andiana mpanam-bola mihitsy mpiray tendro amin’ny fananan-tany sy fandrefesan-tany ary ny fitsarana mahatonga ny olana, ka voatonona ao avokoa na mpitsara, na mpiasam-panjakana eo anivon’ny ‘Domaine’, minisitra tany aloha sy ny fianakaviany, tera-tany metisy sinoa ary eo koa ireo ministra FAT, olom-boatendry ankehitriny, olom-boafidin’ny kaominina Toamasina II. Vokatra izay, nolazain’ireo mponina mitaraina ireto fa « na hisy fati-olona aza eto dia tsy hanaiky ny fanananay hoviravirain’ireo mpangalatra tany sy ny forongony ireo izahay ; masi-mandidy amin’ny fananany ny vahoaka izay nanajary ny tany efa ho 20 taona mahery izao ».
Nohamafisin’izy ireo ary fa « tokony hofoanana ireo ‘titre’ ambony latabatra mivoaka ankehitriny ireo, ny fanaovana ny ‘expulsion’ izay tsindry hazo lenan’ny fitsarana, ary ny fampiatoana mpitsara iray eo anivon’ny fitsarana Toamasina izay mahatonga ny ady saritaka misy ankehitriny noho ireo didy avoakany izay mazàna izy avokoa no mpamoaka azy raha resaka tany ». Ankilan’izay, araka ny tatitra tsotsotra fantatra izao fa ny 85% ny ady tany dia vokatry ny asa ambony latabatra avokoa, ny 90% ny olana kosa dia fampiasana taratasy tsy izy avokoa satria betsaka ny ‘titre’ ara-dalàna eo amin’ny firafiny fa tsy ara-drariny noho ny tsy fisian’ny tena fahamarinany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.