Niezaka nandiso ny resaka momba ny ady an-tranon’ny antoko HVM ny filoha nasionaliny Rivo Rakotovao ny faran’ny herinandro teo.
Nambarany fa miady hevitra ny HVM ny amin’ny hahafahana mampiditra izay lazain’ny vondrona iraisam-pirenena sy ny resaka lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana izy ireo, ka mety misy ny tsy mitovy hevitra. Efa hatramin’ny volana desambra tamin’ny taona lasa ny HVM no nangataka ny firotsahan’i Hery Rajaonarimampianina, ka izy ihany izany no ho kandida, raha ny filazan’i Rivo Rakotovao. Te hiteny ity mpanao politika ity fa milamina tsara ny HVM ary miombom-po amin’ny fanohanana an’i Hery Rajaonarimampianina. Na iza na iza hilatsaka, izahay dia efa manomana ary hanohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy izy. Tsy atao mahagaga raha efa mandeha ny endrika propagandy mialoha ny fotoana efa nanaovan’ny firaisamonim-pirenena tsindrom-paingotra saingy ninian’ity mpitarika ny antoko HVM ity tsy noresahina. Toa nofatoran’ny vavany ihany anefa ny tenany nilaza fa tsy mametraka olana amin’izay ho kandida ny HVM rehefa mahafeno fepetra. Tsy takona afenina ny kajikajy maloto ampandresena ny HVM, anisan’ny kotrehina mafy ny “ni…ni…”, mba hisakanana ireo kandida atahorana, izay toherin’ny vondrona iraisam-pirenena, ka nilazan’ny filoha ny herinandro teo fa tsy ny vahiny no mibaiko eto. Mety hiseho masoandro amin’izay kosa anefa ny tena gidragidra ao anatin’ny HVM, satria ny ao anatiny indray no mety hifampikapa ranjo atsy ho atsy. Raha ny resaka mandeha sy ny fihetsik’ireo mpikambana sasany mantsy, dia maromaro ihany ireo olon’ny HVM no efa mikendry ny handeha irery amin’ny fifidianana ary efa manamboatra ny kajiny, toa an’ny praiminisitra Mahaly Olivier, ny minisitra Paul Rabary … Ireny rehetra ireny, dia ahafaha-milaza fa mikorontana ny antoko ary anisan’ny tompon’andraikitra i Rivo Rakotovao, izay efa mahasorena ny mpikambana HVM sasany ny fomba fitantanany ity antoko ity, ka io izy mamono afo etsy sy eroa io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.