Politique

Adolphe Ramasy Manery an’i Andry Rajoelina hamoaka ny «amnistie»


  • Alakamisy 28 Oktobra 2010

Tsy ampy nandinihana ny volavolan-dalŕna momba ny famotsoran-keloka ny fotoam-pivoriana voalohan’ny Kongresy (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) noho ny fahateren’ny fotoana araka ny nambaran’i Adolphe Ramasy, izay mpikambana ao amin’ny CST avy amin’ny ESCOPOL.

Lany tamin’ny fametrahana ireo rafitra sy ny birao maharitra ary ny fandaniana ny fifampifehezana anatiny mantsy ilay fotoam-pivoriana nandritra ny roa herinandro izay nifarana ny talata 26 oktobra lasa teo. Tena mila fandinihana lalina mantsy izy io fa tsy azo atao maimaika araka ny heviny. Etsy ankilan’izay anefa dia milaza Ramasy Adolphe fa tena antoky ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fanatanterahana ny famotsoran-keloka. Nisintona ny sain’ny rehetra izy ary nilaza fa tsy voatery hodinihana sy laniana eo anivon’ny Parlemanta vao tononina sy ampiharina izany famotsoran-keloka izany.

Hoy indrindra izy : «tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana no nanatanterahana ny famotsoran-keloka taorian’ny savorovoro naharava ny Repoblika voalohany ka ny jeneraly Ramanatsoa no nanasonia izany, ary mbola tahaka izany ihany koa ny nataon’i Norbert Lala Ratsirahonana tamin’ny 1996 raha nitantana vonjimaika ny firenena izy. Tsaroana eto ihany koa ilay fampihenan-tsazy 12 volana navoakan’ny filoha Ravalomanana tamin’ny fitondrany. Didy hitsivolana navoakan’ny filoham-pirenena na filoham-panjakana avokoa ireny». Hita taratra amin’izany fa somary manery an-kolaka ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita mba hanasonia ny didy hitsivolana ho fampiharana ny famotsoran-keloka Ramasy Adolphe, satria fantany tsara fa mety mbola ho ela ny ady hevitra momba io resaka io eny amin’ny CT sy CST ka mety hampitombo ny fifandrafiana eo amin’ny samy Malagasy indray izany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT