Politique

Adolphe Ramasy Aleo ny mpanao politika no hikaroka ny vahaolana !


  • Talata 20 Jolay 2010

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena rehefa tsy dia hita firy intsony teo amin’ny sehatra politika Ramasy Adolphe, izay loholona Arema teo aloha.

Nambarany àry fa tsy tokony hihazakazahana ny fanaovana ny fikaonandoham-paritra sy ny fikaonandoham-pirenena fa halamina sy homanina tsara. Aminy dia tokony hatao mazava tsara ny fitsipi-dalao fa tsy manjavozavo tahaka ny misy amin’izao fotoana. «Krizy politika no misy eto ka tokony ho vahaolana politika no hokarohina hamahana izany, ka hanao bingo manao matso ka hisalovana ny anjaran’ny mpanao politika amin’ny famahana ny krizy ve izany ny fiarahamonim-pirenena ?», hoy Ramasy Adolphe. Aminy dia ireo mpanao politika no tokony hihaona sy hikaondoha ary hifanaraka amin’ny fikarohana ny vahaolana ialana amin’ny krizy fa tsy ny fiarahamonim-pirenena.

Raha misy aza, araka ny nambarany ny fandraisan’anjaran’izany fiarahamonim-pirenena izany amin’ny fanelanelanana sy famahana ny krizy dia tokony ho mahaleotena tanteraka izy ireo fa tsy hiantehitra amin’ny fanjakana. Izany hoe hafa ny loharanom-bola hiasany fa tsy avy ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Anisan’ireo tsy mankasitraka sy manakiana ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena mikarakara ny dinika santatra amin’ny faran’ity volana ity Ramasy Adolphe, ary manahy fa sao dia dinika tsy ahitam-bokany tahaka ny nisy teo aloha rehetra indray izany. Tsy misy afa tsy ny fifampiresahan’ny firehana sy ny herivelona rehetra no vahaolana amin’ny krizy, araka ny nambarany. Hampitombo ny fahorian’ny vahoaka sy ny firenena ny ankoatra izay.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT