Politique

Adolphe Rakotomanga sy Jean-Marc Châtaigner 25 minitra namaivay


  • Alarobia 05 Mey 2010


Fandroahana tamin’ny fomba diplomatika, tsy fandraisan-tanana, teny mahery no niafaran’ny dinika teo amin’i Adolphe Rakotomanga, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny onivesite ary efa minisitry ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony teo aloha sy ny ambasadaoro frantsay miasa sy monina eto Madagasikara ankehitriny, Jean-Marc Châtaigner. Raha tsiahivina dia nisy fanehoan-kevitra nataon’ity mpampianatra ity tamina gazety mpiseho isan’andro iray teto an-drenivohitra ny volana aprily lasa teo. Rehefa nivoaka ilay lahatsoratra dia tsy nahafaly ny tao Ambatomena izany ka dia nampanantsoina teny an-toerana ny lehilahy ny zoma 30 aprily 2010, hariva tamin’ny enina ora. Tamin’izany no nanadinkadinan’ny masoivoho frantsay an’i Adolphe Rakotomanga ka nilazany fa dia fanalam-baraka sy fampirisihana ho amin’ny fifankahalana ny lahatsoratra navoakan’ity mpampianatry ny anjerimanontolo ity. Nahatsiaro voadona mafy i Frantsa satria novakiany bantsilana fa tsy mazava ny tena tian’i Frantsa hiaviana manoloana ny raharaha eto Madagasikara. Nambaran’ity ambasadaoro ity moa fa ireny fihetsik’i Frantsa rehetra ireny dia natao indrindra hanampiana an’i Madagasikara. Tsotra moa no namalian-dRakotomanga Adolphe azy. “Raha te hanampy an’i Madagasikara marina ianareo dia ataovy mazava tsara izany”. Tsy nahafaly an’i Jean-Marc Châtaigner  io ka dia niantso ny mpitantsoratra faha-3 eo anivon’ny masoivoho ny tenany hitondra ny profesora hivoaka ny trano, ary tsy vitany intsony ny nandray tanana ny vahininy teo am-pisarahana. 25 minitra teo ho eo moa no naharetan’ny fihaonan’ny roa tonta. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT