Ny alakamisy 23 sy ny zoma 24 septambra teo, no nanao ny fivoriambe izay fanaony isan-taona, ireo mpikambana eo anivon’ny sendikan’ny «Administrateurs civils» am-perinasa eto Madagasikara.
Araka ny tapaka tany Mahajanga ny taona 2009 dia i Toamasina no nandray ny fivoriana tamin’ity taona ity, izay niavaka ihany koa, noho ny tsy maintsy nanaovana ny fifidianana izay ho filohan’ny sendika, noho ny filohany teo aloha lasa mpikambana eo anivon’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana na ny CENI.
Lany ho filoha vaovaon’ny sendikan’ny «Administrateurs civils» Malagasy, Rakotoarivo Thierry, sekretera jeneralin’ny sendika teo aloha, araka ny tapaka nandritra ny fifidianana natao tao amin’ny “Dà Tsara Village” tany Vohidrotra, 08km miala ny renivohitry ny Kaominina toamasina I. Vato 70 no azony raha 39 kosa ny an’ny mpifaninana taminy, Ranaivoarijaona Désiré sy ny an-dRalaivao John, vato 11. Natsangana nandritra ity fihaonambe ity koa ny birao vaovao, ka lany ho sekretera jeneraly kosa Ramilison Serge.
Administratera sivily miisa 120 no nifidy ny birao vaovao, nefa mahatratra 267 ireo mpikambana am-perinasa eo anivon’ny sendika, raha manodidina ny 300 ny Administratera sivily manerana ny Nosy. Midika izany fa nisy Administratera sivily niisa 147 eo izany no tsy nifidy na tsy nahazo nifidy nandritra ity fihaonambe ity. Teo indrindra no nahatonga ny olana teo am-panombohan’ny fihaonambe, satria ao ny milaza fa «efa fantatra tapa-bolana mialoha ny fihaonana ny fandaharam-potoana ka izay tara tsy maintsy mahazo tsiny». Teo koa ireo nanizingizina fa «isika no mpikarakara fifidianana hatramin’izay, fantatsika tsara izany very zo hifidy izany izay zo fototra amin’ny maha olona sy maha sendika raha ny antsika no resahina, ka aleo andrasana ireo tara fa tsy mahamaika izany fifidianana ankamehana izany». Ny nanaitra aza dia nivoaka hatramin’ny hoe : «misy ambadika (politika?) izay fahamaikana hanaovana fifidianana izay». Tapakandro maninjitra dia lany tamin’ity ady hevi-pifidianana ity fotsiny ny fotoana. Ny zoma namaranana ny fivoriana aza dia efa betsaka tamin’ireo Administratera sivily nivory no nody.
Ankoatra ny fifidianana ny birao, dia nifampita vaovao sy nifanakalo hevitra ary nandinika ny fetezany na tsia ilay fangatahan’ny mpivory tao amin’ny CCI Ivato, ny hametrahana Administratera sivily ho solon’ireo lehiben’ny Faritra 22 koa izy ireo. «Mpiasam-panjakana ary mahay ny fisahanana ny fitantanam-panjakana sy ny fitantanana ny lafin-tany izahay, nefa tsy hiady seza sy handrombaka fahefana kosa. Raha tendrena izahay dia manao ny asa ara-dalàna, sady efa ela no nandrosoana soso-kevitra mikasika izany, fa naresaka loatra ny politika teto amintsika ka adino ny teknisiana novolavolaina tena hanao ny asam-panjakana», hoy izy ireo. Ny taona 2011 ny fivoriambe manaraka.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.