Niteraka tsy fifankahazoana lalina teo amin’ny fitsarana sy ny governemanta ny fanambarana nataon’ny praiminisitra,
izay voalaza fa mihantsy sy mamaky ady tamin’ny mpitsara tamin’ny resaka hoe hanenjehana ara-pitsarana ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) Faniry Ernaivo noho ny resaka fanararaotam-pahefana nandritra ny fitsidihana tampoka nataon’ity tompon’andraikitra ity. Tsiahivina fa namaly bontana izany ny SMM ary nandefa fanambarana manameloka ny fitsabatsahan’ny Governemanta amin’ny fitsarana ary mitaky ny hamelana azy ireo halalaka amin’ny asany. Tsy niresaka ny fitsarana manokana ny tenako fa ny resaka lavanila no tena nohamafisina fa tsy handefitra ny fanjakana amin’ireo tompon’andraiki-panjakana tafiditra ao anatin’ny raharaha halatra lavanila, izay miteraka korontana sy fitsaram-bahoaka, hoy ny praiminisitra omaly. Tsy misy hifandraisany amin’ny raharaha Claudine ihany koa ny zavatra noteneniko ary haveriko foana fa havela hanao ny asany ny fitsarana, hoy izy. Nilaza anefa izy fa tokony hanaja ny lalàna fa tsy hampihatra ny lalàna amin’izay maha mety ny tsirairay. Nambarany fa tsy midika ho famakiana ady amin’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) ny fanambarana nataony nandritra ny filankevitry ny governemanta. Nohamafisina tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao ofisialy, izay nosoniavin’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana mihitsy izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.