Tompondaka amin’ny fanenjehana sy ny fanilihana, eny fa na dia ireo niara-dia taminy aza ny fitondran’ny HVM kanefa tsy mahavita na inona na inona
. Anisan’ny namerimberina ny fahavononany hanolo-tanana sy hitondra ny traikefany amin’ny fanarenana ny firenena i Marc Ravalomanana saingy fanasoketana, fanenjehana, fanagadrana, sakantsakana isan-karazany ary fakana tsotra izao ny fananany aza no setriny. Avonavona tsy roa aman-tany ny an’ny mpitondra fanjakana. I Dadavalo anefa no vahaolana amin’izao krizy lalina mahazo ny firenena izao. Efa noporofoiny fa olon’ny fihavanana izy sady olon’ny asa.
Fandaharanasa sy famatsiam-bola
Izy no mahafantatra tsara ny zava-misy eto. Ampy tsara iasana ny vaovao am-pelatanany noho ireo fitetezam-paritra maro be nataony, tsy izao ihany fa efa hatramin’ny 2002 naha filoham-pirenena azy. Mahiratra amin’ny resaka haitarika (leadership) i Marc Ravalomanana, haingam-piasa ary atokisan’ny mpamatsy vola avy amina firenena maro be (Etazonia, Alemaina, Aostralia, Pays Bas, Danemark, Soeda, Sina). Misy antony goavana matoa tapitra mihaona aminy ireo masoivoho vahiny sy solontenan’ny sampandraharaha iraisam-pirenena eto amintsika. Na ireo milaza azy fa tezitra taminy aza izao dia resy lahatra fa henjana i Dadavalo ary izy hatreto no manana ny mokon-doha sy ny fahaizana hanarenana an’i Madagasikara. Efa nanomboka nilamina sy nirindra ny fiainana teto, nanaja lalàna ny olona tamin’ny fitondran-dRavalomanana (2002 -2008) saingy niha nahazo vahana ny gaboraraka rehefa tonga ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Mila paikady sy fandaharanasa matotra arahana fomba fiasa mahomby ny fanarenana an’i Madagasikara fa tsy resaka politika be hitadiavan-tseza sy vola fotsiny. Manana ny MAP (Madagasikara Am-Perinasa) i Marc Ravalomanana. Efa nohavaozina hanaraka ny fivoaran’ny zava-misy io MAP efa vitany tamin’ny 2006 io izay mahakasika ny faritra rehetra eto amin’ny nosy ary efa ahitana famatsiam-bola. Mahalala, mahay ary mahavita i Dadavalo. Porofo farany akaiky amin’izany ny nahafahany nampihodina indray ny Tiko sy namelona ny Magro tamin’ity taona 2016 ity. Asa izay mbola hitohy manerana ny nosy raha tsy hoe hosakanana indray. Anisan’ireo mazoto amin’ny hanatanterahana fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana koa i Marc Ravalomanana ary efa tena vonona.
)
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.