Politique

Addis Abeba Nidongy Rajoelina, nitsefotra ny fihaonana


  • Alatsinainy 08 Martsa 2010

Tamin’iny faran’ny herinandro iny dia nahoraka, naely, eny hatramin’ireo haino aman-jerim-panjakana fa tsy raikitra ny fihaonan’ireo lehiben’ny ankolafy any Addis Abeba noho ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana lehibena ankolafy any ivelany.

Tsy mitombina velively anefa izany, raha ny vaovao marim-pototra fa karazana fanariana dia fotsiny ihany. Araka ny taratasy avy amin’ny lehiben’ny filankevitra misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana dia ny tsy fahatongavan’i Andry Rajoelina, fa nidongy, no nanafoanana ny fihaonana. Araka ny voalaza ao anatin’ilay taratasy dia nanamafy ny fandraisany anjara ireo atoa isany Marc Ravalomanana, Didier Ratsiraka ary ny Pr Zafy Albert. Nilaza ny fandraisany anjara ny ankolafy Rajoelina, araka ny taratasy nalefany saingy tsy ho avy izy fa ny kolonely Camille Vital no hitarika ny delegasiona ary hanome ny soso-kevitra tapaka nandritra ny Teny Ifampierana, natao tamin’iny herinandro lasa iny.

 
Araka ny taratasy nalefan-dRamtane Lamamra, filohan’ny filankevitra misahana ny filaminana, ny voalohan’ny volana martsa anefa dia takiana ny hahatongavan’ireo lehiben’ny ankolafy efatra, satria hifototra indrindra amin’izay ny fomba hametrahana ny tetezamita iaraha-mitantana hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna, ato anatin’ny fotoana fohy. Vokany, nofoanan’ny filankevitra misahana ny filaminana tamin’ny ora farany ilay fihaonana tokony ho natao tany Addis Abeba hanomboka anio. Araka izany, dia niveri-maina ireo delegasiona avy amin’ny FAT efa nialoha lalana any ary dia tsy voaray, mazava ho azy, ilay tsoakevitra avy amin’ilay fihaonana natao ny alakamisy sy zoma teo, na dia niniana natao aza izany mba hiatrehan’izy ireo ny GIC. Raha tsiahivina dia mbola manana herinandro eo ho eo ireo miziriziry amin’ny heviny hahafahany miverin-dalana mialoha ny filatsahan’izay mety ho sazy avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ny 16 martsa no dila izany fe-potoana izany.   
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT