Politique

Addis Abeba : Fivorian’ny CPS Tsy tafita ilay sori-dalana


  • Alakamisy 07 Jolay 2011

Ny tantara dia mbola mitohy ! Nirava maina ny fivorian’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahalemana na CPS an'ny Vondrona Afrikanina, notarihin’ny filohany Ramtane Lamamra tao Addis Abeba omaly 6 jolay 2011, nandinika ny raharaha Madagasikara.

 Naharitra adim-pamantaranandro maro, teo anelanelan’ny tamin’ny telo ora tolakandro ka hatramin’ny fito ora hariva, ora mitovy amin’ny eto Madagasikara, ny fivoriana noho ny fahitan'izy ireo fa zava-dehibe ny ahitana vahaolana matotra sy maharitra amin’izao krizy izao, saingy tsy nisy zavatra tapaka noho ny resaka sy tatitra misafotofoto nataon’ireo iraka nanao fanelanelanana teto Madagasikara. Nahatsapa mantsy ny CPS fa tsy mifandraika velively ny asan’ny mpanelanelana sy ny fanitsiana nataon'ny Dr Tomaz Salomao. Tsy nahafa-po, araka izany, ny iraka nataon’i Joaquim Chissano, lehiben’ny mpanelanelana amin’ny krizy eto Madagasikara, rehefa nohenoin’ny CPS nandritra ny adiny roa izy. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia i Joaquim Chissano sy i John Tesha, mpanolotsainy no niatrika ny CPS omaly fa tsy niditra tao ny Dr Leonardo Simao. Nivoitra tamin’ny fifandaharana tao fa tsy azo ihodivirana ny fanapahan-kevitr’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana izay nivory tany Sandton, Afrika Atsimo tamin’ny 11 sy 12 jona 2011 lasa teo. Anisan’ny nomarihina tamin’izany ny tsy maintsy hanitsiana ny tondrozotra, ny hiverenan’ireo mpanao politika an-tsesitany rehetra an-tanindrazana tsy misy fepetra. Ankoatra izay dia fantatra, araka io loharanom-baovao io ihany, fa tsy nahita nolazaina i Joaquim Chissano rehefa nanontaniana hoe : fa maninona no mbola io governemanta Vital io no eo ? Tsy voavaliny mihitsy koa ny nahatonga ilay taratasin’ingahy Salomao tamin’ny 17 jona, izay mifanipaka amin’ny tapaka tao Sandton.

Nanizingizina moa ny CPS fa ny tenierana ihany dia ny “consensuel” sy “inclusif”. Etsy andaniny dia tsy nitondra antontan-taratasy ity lehiben’ny mpanelanelana ity fa nihevitra angamba fa handeha ho azy ny raharaha. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia nanontany an’i Chissano ny CPS hoe inona ny antontan-taratasy hiasana ? Ny taratasin’i Tomaz Salomao (17 jona 2011) sa ny fanapahan-kevitra tany Windhoek (20 mey 2011) sy Sandton (11-12 jona 2011) sa ny taratasin’ny Filoha Marc Ravalomanana (04 jolay 2011) izay manaiky hanao sonia ny sori-dalana nasiam-panitsiana araka ny fanapahana tany Sandton ? Tsy nazava anefa ny tamin’ireo. Rehefa izay dia nanapaka ny mpivory fa hanohy ny fivoriana amin’ny fotoana manaraka izy ireo rehefa eo am-pelatanany ny antontan-taratasy rehetra ilainy ahazoany mandinika lalina ny tena zava-misy marina mialoha ny tena fanapahan-kevitra. Dia noravana aloha izany ny fivoriana ary dia mihemotra ny GIC ary dia tsy mankany New York, araka ny faniriany, i Siamao fa tsy maintsy mampitovy tsara ny hevitra tao Sandton sy ny fanitsiana rehetra miaraka aminy. Tsy tafita araka ny nanantenan’ireo mpanao rangopohy teny Ivato tamin’ny 09 martsa 2011 azy ilay sori-dalana, satria na ireo diplaomaty mozambikanina noheverina hanohana azy aza tsy nahavaly fanontaniana teo anoloan’ny CPS. Nanana iraka tany Addis Abeba nanaraka akaiky ity fivoriana ity ny Fahefana avon’ny tetezamita, ary azo antoka fa mai-molotra izy ireo. Tsy nivaha mantsy fa nitohy manan-kery ny sazy noraisin’ny CPS ho an’ireo mpitondra ny FAT miisa 109, tamin’ny martsa 2010.

 

Nangonin’i Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT