Tsy ho eny Ambohitsorohitra hameno ny toerana eny intsony izahay KMD (Komity Miaro ny Demokrasia) amin’ny 7 febroary 2013, hoy ny mpandrindra nasionaliny, Raveloson Louis de Gonzague.
Tsapanay fa toa mivaona amin’ny tolona nimatimatesana tamin’ny 2009 ny fisehoan-javatra eto amin’ny firenena ankehitriny. Efa nifanaraka tamin’ny solontenan’ireo ankolafy lazaina fa mpanohitra ny tetezamita ankehitriny dia ny ankolafy Zafy Albert, ankolafy Didier Ratsiraka sy ny ankolafy Ravalomanana izahay, hoy izy, fa hanatanteraka fihaonana ho fampihavanam-pirenena marina etsy amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary amin’io daty voalaza io.
Nokaikerin’ny amboa kely tiany ary ve ity fikambanana ity no nivadi-dela tahaka izao ? Tsiahivina mantsy fa tamin’ny fihaonan-dry zareo farany tamin’ny mpanao gazety teny Andrefan’Ambohijanahary dia anisan’ny hevitra nasongadin-dry Louis de Gonzague sy ny namany ny hoe : “Manohana ny tsangan-kevitry ny filohan’ny FAT tanteraka sy mitaky ny fanovana marina eto amin’ny firenena izahay” sy ny hoe : “Tsy manaiky ny tondrozotra sy ny fiarahana amin’ireo tsy nitolona izahay fa manjary izy ireo no manjaka eo amin’ny fitondrana. Mitaky ny hanalana eo amin’ny fitondrana izay tsy nitolona koa ny KMD”, hoy ihany izy ireo tamin’izany. Mihodinkodina tokoa ny tany an !
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.