“Fihetsiketsehana lehibe nanaovana sorona ny vahoaka mba hahazoana seza, namonoana mpiray tanindrazana ny 7 febroary 2009”, hoy ny CST Rakotonomenjanahary Jean Ernest.
Niantso ny rehetra ny tenany mba ho tonga saina manoloana izany. Ahodinkondina foana ny resaka, hoy izy nilazana fa i Marc Ravalomanana no nampamono olona. Tsy azo hadinoina anefa, hoy ny CT Rarison Hilarion ny tenin’i Andry Rajoelina tamin’izany nilazany hoe : “foiko, izaho Ben’ny tanàna ho Lapan’ny Praiminisitra Ambohitsorohitra”. Izany no nitarihana ny olona hanani-dapam-panjakana, hoy ihany ity CT ity izay nangataka ny amin’ny tokony hanamafisana ny fangatahana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny hanaovana ny fanadihadiana iraisam-pirenena momba iny raharaha iny.
Amin’izay, hoy izy dia hantsoina avokoa ireo vavolombelona toa an-dry kolonely Charles Andrianasoavina, jeneraly Dolin Rasolosoa, Alain Ramaroson, Monja Roindefo, Sareraka sy ny maro hafa. Matoa ny tribonaly tsy mety milaza ny marina ny maha-meloka an’i Andry Rajoelina dia satria tsy mahaleotena. Efa niova anefa ny fomba fijerin’ny olona, hoy ny CT Rarison Hilarion taorian’ny namoahan’ny kolonely Charles Andrianasoavina ny tao ambadik’ireny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ireny. Fantatra moa, araka ny tenin’ny CT Ralaimampisainarinony Manoela fa dia hiditra mivantana etsy amin’ny kianjan’ny finoana anio ity manamboninahitra manan-tantara ity, hanambara ny marina. Tsy maintsy mifampiresaka ny samy Malagasy, hoy izy ary ny ankolafy Ravalomanana no nanomboka ny fampihavanana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.