Politique

«29 martsa» tao Tolagnaro Nifampitazana ny manampahefana sy ny miaramila


  • Alarobia 31 Martsa 2010


Hafakely ny nitranga tao Tolagnaro renivohitry ny Faritra Anosy, nandritra ny lanonana fahatsiarovana ny tsingerin-taona faha-63 taonan’ny tolom-panafahana 1947, ny 29 martsa lasa teo.Nangadihady teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna misy ny tsangambaton’ny mahery fo. Honjohonjon’ny miaramila nanao paorijenitra sy manampahefana nikabary no hany teny an-toerana, fa dia variana tany amin’ny asa aman-draharahany, sy ny fiahiana ny fiainany an-davanandro ny olona na teo aza ny fanentanana totoafo natao tamin’ny haino aman-jery tao an-tanàna amin’ny fankalazana ny “29 martsa”. Mampieritreritra ihany ny toe-javatra toy izany. Tsy to teny ny mpitondra, sa mandaitra ny kolontsain’ny zarazarao anjakana, sa efa difotry ny fahantrana Ramalagasy ? Raha noana mantsy ny kibo mivezivezy ny fanahy, na ambara aza fa nahafoy ny ainy ho fanavotana ity Madagasikara ity teo ambany vahohon’ny mpanjanatany ireo tia tanindrazana.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT