Hafa noho ny hafa, niavaka noho ny fankalazana hatramin’izay ny 29 martsa omaly. Zava-baovao tsy fahita ary zary lasa henatra ho an’ireo milaza azy ho “mpitondra fanjakana” iny fanamarihana ny faha-63 taonan’ny tolom-panafahana iny.
Ny maraina, tokony ho tamin’ny 9 ora tany ho any no efa tonga teny Ambohijatovo ireo mpandala ny ara-dalàna sy mpanara-dia ireo ankolafy telo, izay vehivavy ny ankamaroany. Araka izany dia nihaona mivantana tamin’ny mponin’Antananarivo ireo mpikambana sy mpitondra ny FAT, araka ny voalaza, ireo vehivavy nangorom-potsy teny an-toerana. Tsy nahasakana ny vahoaka haneho ny heviny ny hamaroan’ireo mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika teny an-toerana. Hatezerana sy alahelo moa no nasetrin’ireo vahoaka marobe teny an-toerana ireo manampahefana ankehitriny. Nisy ny teny mahery sy ny tora-bato. Samy nanana ny voninkazony koa ny rehetra ka samy nanao izay nahafahana nanatitra izany teo amin’ny tsangambaton’ny MDRM ny tsirairay. Na dia nosakanana aza moa ny vehivavy avy amin’ny ankolafy telo dia nahatitra voninkazo ihany.
Raikitra koa ny horakoraka nataon’ireo vahoaka an’ireo mpikambana ao anivon’ny FAT tonga teny an-toerana. Kely foana no tsy naharaikitra ny gidragidra teny Ambohijatovo satria nisy ny fifampihantsiana. Rehefa nidina hihazo an’Analakely moa ireo vehivavy sy ny mpanara-dia avy amin’ny ankolafy telo dia raikitra indray ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso. Araka izany, sambany teo amin’ny tantara no nisy baomba nipoaka ny tontolo andron’ny 29 martsa ary koa ao anatin’ny herinandro masina. Very hasina tanteraka ny firenena. Ankoatra izay, saika nisokatra avokoa ireo fiangonana, indrindra fa ny FJKM nitrotro am-bavaka ny firenena. Tetsy an-daniny, anisan’ny Hetsik’ireo Mpitondra Fivavahana, nanamarihana ny 29 martsa ny hisalorana fotsy. Tafita ny hafatra, raha ny hita teny Ambohijatovo, Analakely sy ny manodidina. 63 taona taty aoriana dia hafa kely tokoa ny nanamarihana ity datin’ny 29 martsa ity, indrindra ny teto an-drenivohitra. Mitory fahasahiana tanteraka ; teo koa anefa ny henatra. Sambany teo amin’ny tantara….
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.