Politique

29 martsa 1947 Ny hevitr’izy ireo


  • Alakamisy 30 Martsa 2017

Nomarihina omaly ny tsingerin-taonan’ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifo Malagasy nanohitra ireo mpanjanatany frantsay. Ivon’ny hetsika ny fahatsiarovana ny tranga nisy tao Moramanga ny 29 martsa 1947.

 Lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona 2017 ity ny hoe «Mba hiampita ny fanilo, Ny lasa tsy fanadino». Maneho hevitra ny fahitana ny zava-misy eto amin’ny firenena ny olom-pirenena Malagasy, 70 taona aty aoriana. Hoy indrindra izy ireo :

Profesora Ranjeva Raymond (mpahay lalàna) : «Maro ireo firenena zanatany nanao hetsi-panoherana niaraka tamin’i Madagasikara. Niavaka tamin’ireo fitakiana rehetra kosa ny nataon’ireo tia tanindrazana Malagasy. Tsy nionona fotsiny tamin’ny tsy fanekena ny fanjakazakan’ny frantsay mantsy ireto farany fa fanontaniana lehibe napetraka tamin’izany ny momba ny tena fahaleovantenan’ny fanjakana Malagasy».

Rasamimanantsoa Hasinjaka (Mpandraharaha) : «Miova tanteraka ny foto-pisainana fitiavan-tanindrazana ankehitriny. Lasa baikon’ny vola sy ny fanaovana bizina ny fiarahamonina Malagasy. Manome ohatra ratsy mampanjaka io kolontsaina mamohehatra io ny mpitondra fanjakana. Vahaolana ny famerenana ny tena foto-kevitra fitiavan-tanindrazana amin’ny fampandaniana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc».

Randriamandimbisoa Félix (solombavambahoakan’i Madagasikara) : «Tsy nahitam-bokatra ny tolona natao tao anatin’ny 70 taona. Miharatsy hatrany mantsy ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy. Fotoana angamba izao hisavana ifotony ny tena fitiavan-tanindrazana nataon’ireo maherifo tamin’ny taona 1947 hanatsarana ny fiarahamonina eto Madagasikara».

Nangonin-dRamano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT