Nanamarika ny tantaran’ny firenena malagasy ny datin’ny 1 aogositra 1985 nanafihan’ny miaramila ny toerana nitobian’ireo mpikatroka kung fu teny Ambatomainty sy Behoririka.
Ny trano fonenan’ny Grand Maître na Sifu Pierre Mizael Rakotoarijaona sy ny toerana fanaovana fanazaran-tena moa no lasibatra tamin’izany. Tsy fanaparitahana olona manao fihetsiketsehana fa tena fanafihana tamin’ny basy aman-tafondro mihitsy no natao tamin’io ary ny rezimantan’ny hery vonjy taitra (RFI) Antsiranana sy
Fantatra aza fa dia efa nitady manampahaizana manokana momba ny haiady mba hifanehitra tamin’ny Grand Maitre Pierre Be ny fitondrana tamin’izany fotoana, saingy tsy nahomby ny tetika, efa nisy koa ireo mpikatroka haiady hafa teto Antananarivo nampirisihana hanohitra ny mpanao kung fu, saingy nandamoka avokoa izany. Tsy nanana hevitra hafa afa-tsy ny basy intsony, araka izany, ny fitondrana tamin’izany, izay mbola tena tao anatin’ny heriny koa dia nanao vono moka ny mpanao kung fu izay sahy nijoro nilaza sy nanohitra ny tsy rariny. Ny lasa tsy fanadino, 26 taona izay no dify, mijoro ara-dalàna manana federasionina ny kung fu wisa ary ahitana mpikambana efa ho 15 000 manerana an’i Madagasikara. Tsy dia niova ny filozofia fa mety nampanarahana fotsiny ny vanim-potoana iainana. Mbola mistery tanteraka kosa ny amin’i Sifu Pierre Mizael, tsy fantatra na maty marina teny Ambatomainty izy io alin’ny 31 jolay hifoha 1 aogositra io, na voasambotra dia nalefa any amin’ny toerana tsy fantatra, na afaka nitsoaka. Izy rahateo moa araka ny filazan’ireo nifanerasera taminy dia lava ranjanana, matanjaka ary manana ny antsoina hoe hery miafina hafa kely sy mahavita fahagagana maro. Ny fianakaviana ihany koa moa tsy tia miresaka firy ny momba azy fa manaja kosa ny lova napetrany ary mampita izany amin’ny mpiara-monina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.