Politique

26 Jona : Tsy misy FAT no tanjona, hoy ireo mpanohana ny ara-dalŕna


  • Alarobia 02 Jona 2010


Mitohy ny tolona, hoy ireo mpanohana ny ara-dalàna. Ny zava-misy eto amin’ny firenena, hoy izy ireo dia herisetra, fisamborana, fanagadrana, na mpanao politika, na mpanao gazety, eny hatramin’ny mpitondra fivavahana dia tsy misy afa-maina avokoa. Araka ny fahitan’ireo manohana ny ara-dalàna izay zava-misy izay dia matoa ny FAT manao izao herisetra izao dia mba hanakonany ny fahareseny tany Nice, sady tsy voaasa no mbola nanaovan’ny vondron’ny Gasy Tia Tanindrazana fihetsiketsehana ary tsy nahatanteraka koa ilay fivoriana natao hoe fihaonambem-pirenena na « dialogue national ». Araka izany, hoy izy ireo dia resy sady afa-baraka ny FAT ka dia ny fampihorohoroana no atao mba tsy ahitan’ny vahoaka izany faharesena izany. Izay ny dingana voalohany hianjeran’ny FAT, hoy ihany izy ireo. Ny dingana manaraka kosa dia manomboka amin’ity herinandro ity ka hatramin’ny 15 jona dia hanome ny saziny ny vondrona eoropeanina. Manoloana izany anefa dia mitaky fahamailoana satria mety ho herisetra indray no setriny, hoy ny fanazavana. Any amin’ny faha-10 Jona any manko dia handalo any Genève ny FAT ka horesahana manokana amin’izany ny momba ny fanajana ny zon’olombelona. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT