Politique

26 jona tao Manakara Noporofoin’ny TIM ny fananany olona


  • Alatsinainy 27 Jona 2011

Manodidina ny 2500 olona no indray nanemitra ny filaharana nataon’ny Tiako I Madagasikara (TIM) tao Manakara raha nandray anjara tamin’ny matso fankalazana ny faha-51 taonan’ny fahaleovantena ny tao an-drenivohitr’i Vatovavy Fitovinany omaly.

 Nasehon-dry Andriano Giscard sy Rakotonandrasana Samuel ary ny ekipany fa tsy resy akory ny olo-mangina fa aleo miandry fifidianana ary lanim-bahoaka amin’ny ara-dalàna vao mandray fahefana. Mbola nohamafisin’ireo Anakavy amin-dreny sendra ny Tia Tanindrazana ihany koa moa fa tsy miala ary tsy hiala amin’Atoa Marc Ravalomanana ny TIM Manakara na eo aza ireo mihevitra ny hamily ity antoko ity amin’ny lalan-kafa. Fo falifaly, endrika miramirana no nasehon’izy ireo nandritra ny matso nanoloana ireo manampahefana sivily sy miaramila nanome voninahitra ity fetin’ny 26 jona tao Manakara ity. Nitohy tamin’ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana tao amin’ny tokotany malalaky ny Lycée Sileny Paul moa ny fetin’ireo Anakavy amin-dreny TIM ireo. Omby 11 no natolotra tamin’ity indray mitoraka ity izay fiaraha-mientan’ireo mpitarika ao amin’ny antoko no nananana azy. Araka ny fantatra dia nisy ny sakantsakana nataon’ny mpitantana ny tanàna tamin’ny fanatontosana ity fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ity kanefa dia tontosa ihany rehefa nampiseho fahavononana ny avy ao amin’ny TIM fa tsy maintsy miroso ary ao anatin’ny filaminana no hanaovana izany.

 

Hyace R.

 

Sary : Ireo Anakavy amin-dreny miandry ny fandaminana teto amin’ny lycée Sileny Paul

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT