Tsy hijanona eto an-drenivohitra irery intsony ny hetsiky ny ankolafy 3, hitakian’izy ireo ny fametrahana ny tena tetezamita, indrindra amin’izao ankatoky ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena izao.
Tsy ho ela dia hifarana ny tolona, hoy ny pasitera Edouard tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Efa nidina any amin’ny faritra ireo mpitarika ny tolona tarihin’ny profesora Zafy Albert, filohan’ny Filankevitra nasionaly misahana ny fampihavanana, ka iny tapany avaratra sy andrefan’ny Nosy iny no hisantarana izany. Raha ny voalaza dia ao Mahajanga izy ireo ny alakamisy, Antsohihy sy Ambanja ny Zoma, ary any Antsiranana ny sabotsy 19 jona. Aorian’izany dia hitodi-doha any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy indray ireo mpitarika ka ny tanànan’Antsirabe, Fianarantsoa ary Toliara no hihaonan’izy ireo amin’ny vahoaka, avy eo Toamasina. Raha ny vinavinan’izy ireo dia any amin’ny 19 jona any dia hiara-hihetsika avokoa ny vahoaka amin’ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara.
“Tsy hisy hahasakana izany diabe ho an’ny fahaleovantena izany na dia efa misy mikononkonona tsy hahavanona izany aza any ho any”, hoy ihany ny pasitera Edouard avy amin’ny firehana Zafy Albert. Tetsy andanin’izany dia nasian’ny solombavambahoaka Mektoub El Camille resaka ny momba ny raharaham-bola eo anivon’ny FAT amin’izao fotoana izao. Tsy misy ny vola hanaovana ny 26 jona, hoy izy. Hany herin’ny FAT dia naka tamin’ny ‘bon de trésor’, hoy ihany ity mpanao politika ity. Vola mitentina 70 miliara izany raha ny filazany, tsy nierana tamin’ny vahoaka tompony fa avy hatrany dia noraofina, hoy ihany izy nanamafy. Ny momba ny vola avy amin’ny fitrandrahana vy ao Soalala indray dia nambarany fa taratasim-bola natao antoka fotsiny ihany ilay nolazaina fa efa azon’ny FAT, ilay 50 tapitrisa dolara. Antoka ka tsy azo kitihana, hoy izy. Manoloana izany dia niantso ny tsy hanambakana ny vahoaka i Mektoub satria efa mahay mamakafaka ny vahoaka, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.