Politique

17 novambra Manomboka ny hala-bato !


  • Alarobia 03 Novambra 2010

Efa miparitaka manerana ny disitrikan'i Moramanga ny vatom-pifidianana tokana ho an'ny fitsapan-kevi-bahoaka izay hatao ny 17 novambra ho avy izao, saingy ny mahagaga dia efa voamarika "X" avokoa ny eo amin'ny " Eny".

Midika izany fa hoteren-ko lany ny "Eny" any an-toerana. Raha adika mazava ny resaka dia efa manomboka sahady izany ny halabato amin’izao fotoana. Vavolombelona maro no nahita sy nanatri-maso izany nandritra ny fivoriana notarihana mpitondra ambony iray,  ireo sefo fokontany, ben'ny tanàna ary ny "chef Zap" ny zoma sy sabotsy teo. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia ny zoma tolakandro no namory ireo sefo fokontany miisa 13 tao amin'ny lapan'ny tanàna ity tomponandraiki-panjakana ambony ity. Nofariparitany sy nitondrany fanazavana tamin' izany ny tokony hanentanana ny olona mba handray anjara amin'ny fifidianana, nitondrany fanazavana ihany koa ny mombamomba ny lalàmpanorenana izay hitsapana ny hevitry ny vahoaka ny faha-17 novambra ho avy izao ary ny fomba fampiasana ny biletà tokana, nozaraina peta-drindrina sy ny gazety misy ny lalàmpanorenana ireo rehetra nanatrika.

Tao amin'ny efitrano malalaky ny biraon'ny distrika kosa ny sabotsy maraina no nivory niaraka tamin'ity manampahefana ity ireo ben'ny tanàna miisa 21 anatin'ny distrikan'i Moramanga, ary ny sabotsy hariva tamin'ny 6 ora kosa no noraisiny tany amin'ny lapan'ny kaominina ambanivohitr'Andasibe ireo " chef ZAP" miisa 13 amin'ny 29 ao amin'ny disitrikan'i Moramanga, tsy nisy fiovana fa saika mitovy avokoa ny antom-pihaonana. Ny nampitovy an’ireo fihaonana  rehetra ireo dia samy nahazo baiko amin'ny fanentanana ny olona hifidy ary handrotsaka ny vatom-pifidianana « bileta tokana »  efa voamarika "X" mialoha ka entina mody any  an-trano ary arotsaka anaty vata fandatsaham-bato ny 17 novambra ireo tomponandraikitra nentanina sy ny olona hotarihan’izy ireo avy eo. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana ihany dia samy notolorana lelavola 100.000 ariary avy ireo mpandray anjara tamin'ny fivoriana in-telo voalaza ireo. Nahafantatra tsara io fivoriana io no sady nanatrika izany ireo tomponandraikitra ambony tao Moramanga.

Ny fanadihadiana natao tamin'ireo nandray vola nahalalana mba hampandany ny Eny moa no nahafantarana izany rehetra izany. Fantatra ihany koa, araka ny nambaran’ireo « chef ZAP » sasany, fa misy ny fandrahonana ka izay tsy manaiky hanatanteraka ny baiko amin’ny fampandaniana ny Eny dia mety hafindra toerana, ireo sefo fokontany sy ben'ny tanàna kosa dia voalaza fa ho hita eo izay kaominina sy fokontany kely vato indrindra amin'ny fampandaniana ny "ENY", amin' ity farany indrindra dia nisy sahy nilaza fa noho ny fahatahorana ny hahaverezan’ny seza dia hotanterahina ny baiko na dia hita fa tsy mifanaraka tamin'ny fitakiana ny nodradradradraina teto aza. Mazava ny resaka fa efa manomboka izany ny hala-bato ho fampandaniana ny eny ary manampahefana ao anatin’ny FAT mihitsy no mitarika izany. Ny tao Moramanga aloha no hita sy nahazoana porofo fa tsy fantatra izay mbola mitranga any amin’ny faritra hafa any !

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT