Politique

16 martsa 2009 Niaka-dapa ny fiara mifono vy


  • Talata 16 Martsa 2010

Herintaona katroka anio 16 martsa, ny faran’ny tolakandro no nivoahan’ireo fiara mifono vy an’ny tafika malagasy nentina andia-miaramila mpikomy nanafika ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra.

Potika ny vahavahadin’ny Lapa tamin’izay. Niatrana avy amin’iny Anosy iny ny sasany tamin’ny fiara mifono vy. Nidoboka ny tafondro, tao anaty maizina tao. Raiki-tahotra Antananarivo iray vohitra. Azon’ny miaramila mpikomy ny Lapa ary namahatra tao izy ireo. Nitodi-doha nihazo an’Iavoloha ireo fiara mifono avy eo. Niely eran’izao tontolo izao ny sary maneho ny zava-nitranga teny Ambohitsorohitra. Fanonganam-panjakana no nilazan’izao tontolo izao ny nitranga teto, ary fiandohan-javatra ihany ny nataon’ny miaramila mpioko, raha fandraisan’andraikitry ny miaramila kosa no nentin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao nanazavana ny trangan-javatra. 

Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT