Politique

16 martsa 2009-16 martsa 2010 Herintaona lasa izay, niala nenina farany i Marc Ravalomanana


  • Talata 16 Martsa 2010

Tao anatin’ny fiala-nenina farany amin’ny mety handaminana ny fiainam-pirenena sy ny savorovoro politika, tamin’ny herintaona tahaka izao ny filoha Marc Ravalomanana.

Nifanesisesy tahaka ny isan’andro ireo olona nihaona taminy tao amin’ny lapam-panjakanan’Iavoloha, izay efa lasa trano fonenany niaraka tamin’ny ankohonany ihany koa tamin’izay fotoana izay. Teo ireo masoivoho vahiny, ny mpanao politika isan-karazany, ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny antokom-pinoana. Efa tena nandodona mafy anefa, ny miaramila niandany tamin’i Andry Rajoelina tamin’io 16 martsa 2009 io, fa raha tsy miala ny filoha am-perinasa dia ho avy eny Iavoloha izy ireo. Vory maro be ireo vahoaka nanatevina ny andrimasom-pokonolona niambina ny lapa, nanodidina ny 6 000 teo hoe eo izy ireo. Efa niatrana ambava-basy ihany koa hifandona amin’izay mety hanafika ny mpiambina ny lapa, na dia tsikaritra aza fa nihena isa ihany, fa tsy tahaka ny mahazatra izy ireo.

Efa nanomboka niely ny feo io 16 martsa 2009 io fa hametra-pialana, hono, ny filoha ka mety hamindra izany amin’ny miaramila. Nivezivezy teny Iavoloha rahateo, andro vitsivitsy mialoha io daty io, ireo manamboninahitra jeneraly maromaro. Na dia efa niparitaka aza ny feo amin’ny famindram-pahefana dia mbola maro tamin’ireo mpomba ny ara-dalàna no nino sy nanantena hatramin’ny farany fa hijanona eo amin’ny fitondrana i Marc Ravalomanana, saingy nijanona ho fanantenana fotsiny izany, ary efa ora sisa no nisaina tamin’io dia… ho rava tanteraka ny fanjakana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT