14 oktobra 1958 - 14 oktobra 2016, 58 taona katroka anio ny nanambarana ny maha Repoblika an’i Madagasikara ary mpikambana ao amin’ny Fiombonambe frantsay.
Tsiranana Philibert no filohan’ny Repoblika Voalohany ary dia nahazo anaram-petaka Rain’ny Repoblika Voalohany izy noho io. In-droa miantoana ny dingana nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantenany dia tamin’io 14 oktobra 1958 io, amin’ny maha firenena mahaleotena mpikambana teo anivon’ny “Communauté” azy ary tamin’ny 26 jona 1960 ny maha firenena mahaleotena tanteraka an’i Madagasikara. 58 taona aty aoriana, tantaraina sisa ny 14 oktobra 1958. Tsy misy hetsika na fanamarihana ofisialy ataon’ny Fanjakana mijoro. Sasantsasany amin’ny taranaky ny Repoblika Voalohany, ny zanak’i Sofia indrindra Antsohihy no mba mahatsiaro rehefa vanimpotoana toy izao, izay marihina amin’ny famangiana ny fasana ilevenan’i Tsiranana Philibert ao Anahidrano-Antsohihy. Omaly tolakandro ihany koa ny antoko PSD naorin’i Tsiranana, dia nanao famelabelaran-kevitra tao amin’ny Tranompokonolona Antsohihy, tohin’ny efa nataony tao Mandritsara niaraka tamin’ireo Sojabe ao an-toerana. Mazava tsara ny fisaraham-pahefana amin’ny firenena manana sata repoblikana. Voahaja ve izany eto Madagasikara ? Baraingo ny amin’io ! Repoblika efatra no nisy teto Madagasikara, tao anatin’izay 58 taona izay. Filoha voafidim-bahoaka niisa dimy sy filoham-panjakana dimy no nifandimby nitondra teto tao anatin’izany. Tantara sisa ny amin’izany, na ny tanora Malagasy aza betsaka no tsy mahalala ny zavatra raiketin’izany 14 oktobra 1958 izany akory, ny mpanao politika sy ny mpitondra anefa miventy sy manao litania fitiavan-tanindrazana. Ahoana anefa no hananana Malagasy tia tanindrazana izany raha ny tantaran’ny firenena aza tsy fantany, ny soatoavina tsy hajainy, ny hiram-pirenena tsy hainy, ny sainam-pirenena tsy hajainy ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.