Politique

100 tapitrisa dolara avy amin’ny Wisco Tompony mangataka atiny ny vahoakan’i Soalala


  • Zoma 28 Desambra 2012

Nijoro, nitondra fanazavana ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Rajaonarimampianina Hery, rehefa nametraka ahiahy amin’ny loharanom-bola nanamboarana ireo fotodrafitrasa ambara fa “manara-penitra” fampanantenan’i Andry Rajoelina ny praiminisitra Beriziky Jean Omer.

 Nanamafy ingahy minisitra fa vola 100 tapitrisa dolara azo avy amin’ny fanomezan-dalana ilay orinasa sinoa Wisco, hitrandraka vy ao Soalala no nanatanterahana ireny fampanantenana ireny. Mazava sy ara-dalàna ny nidiran’ny vola, ary toy izany koa ny fivoahany, hoy ny minisitra ary efa voaeritreritra tsara ny toerana nanorenana ny fotodrafitrasa. Etsy ankilany anefa dia manao fanamarihana ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Tsiranana Pierre, fa tsy mahazo tombontsoa avy amin’io vola be io i Soalala. Ratsy ny lalana, tsy misy fotodrafitrasa, nefa toerana mety mahasarika mpizahatany. Rariny, hoy i Tsiranana Pierre raha mba anorenana fotodrafitrasa manara-penitra any i Soalala, mba tsy ho tompony mangataka atiny ny mponina any.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT