kolontsaina

TENY GASY Fanagasiana = fahalalana ny Tantara sy Jeografian’i Madagasikara


  • Alarobia 18 Mey 2022

Isan’ny fitakiana goavana, tamin’ny «13 mey 1972», ny»Fanagasiana». Bokin’ny fandaharam-pianarana frantsay, «Histoire et Géographie», kilasy «CE2», izany hoe «Neuvième» taloha» na ihany koa T3, no eto ambany masoko.

Natao ho an’ny zaza fito na valo taona. Vao misokatra ny boky dia sarintanin’i Frantsa no mitsena ny mpianatra : ireo ony sy renirano, ny tendrombohitra lehibe. Ny Tantara dia miresaka ny fahagola (2 tapitrisa ka hatramin’ny 2 hetsy taona lasa) nahaterahan’ireo karazan’olona (Homo habilis, Homo erectus, Homo neandertalasensis, Homo sapiens) ary mifarana hatreo amin’ny nanjakan’i Hugues Capet (taona 987). Ny Jeografia dia ahitana sary iray na roa isaky ny takila (misy 150 no isany) mampiseho endriky ny tanàna samy hafa manerana an’i Frantsa, ny famokarana sy fivelomana isam-paritra, ny fitaovam-pifamoivoizana.

Ny mpianatra malagasy fito na valo taona ve manana boky mitovy amin’izany, manazava ny tany, ny olona, ny jeografia, ny tantara ? Tamin’izahay T4 dia nampiasa ilay boky «Teto anivon’ny riaka». Raha jeografia, misy sarintanin’i Madagasikara tokoa ao anatiny, mampiseho ny ony sy renirano : Manambolo, Tsiribihina, Mangoky, Onilahy, Mananara, Menarandra, Sofia, Sambirano, Baly, Maningory, Onibe, Ivondro, Mangoro, Mananjary, Antanambalana, Bemarivo, Mania, Iandratsay, Matsiatra, Isandra, Manandriana, Namorona, Sahamaloto, Sahambavy, Sahave, Manantanana, Ikopa, Andromba, Sisaony, Varahina, Iombifotsy, Sakay, Betsiboka... Saingy tsy voamarika ny haavon-tany, ny tendrombohitra telo lehibe (Tsaratanàna, Ankaratra, Andringitra), ny farihy (Alaotra, Kinkony, Itasy, Antsohary, Bemamba : araka ny fitanisan’i Régis Rajemisa-Raolison ao amin’ny «Dictionnaire historique et géograhique de Madagascar»). Tsy misy fanazavana firy mikasika ireo ony sy renirano ireo, ary ny anjarany teo amin’ny tantara isam-paritra.

Dimampolo taona aty aoriana, firy amintsika no mahafantatra an’Androna, mampitohy an’i Port-Bergé sy Maroantsetra mandalo an’i Mandritsara, hadilanana voajanahary nifaneraseran’ny Sakalava-Boina sy ny Betsimisaraka ? Toy izany koa Ivohibe, mampifandray an’i Vangaindrano sy Farafangana amin’Ihosy, ka mety nanamora ny fifaneraseran’ny Antesaka (atsinanana) sy ny Sakalava (andrefana).

Ankoatra ny Tantara (faha-Gola, faha-Vazimba, faha-Mpanjaka, faha-Vazaha, faha-Malagasy), izay mbola ambangovangony mandrak’ankehitriny, ny fahafantarana ny jeografian’ity Nosy ity no fitaovana lehibe voalohany hampandrosoana azy : jeografia no mandrafitra ny toetr’andro mando sady mafana ao Sambirano, am-pototr’i Tsaratanàna ; jeografia no mamaritra ny renirano mahazaka toho-drano havadika ho angovo ; jeografia no tokony hanondro ny lalana sy fifamoivoizana...

Fahalalana tsara kokoa ny zava-misin’i Madagasikara : izay ilay tena «Fanagasiana» ny fampianarana.

VANF
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT