Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy filaminana Mila fiovana sy fahavononana


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Tsy mahomby ny politika momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana matoa tsy mandry tahaka izao ny tany, ary mandry andriran’antsy andro aman’alina ny Malagasy.

Raha te hiady amin’ny tsy fandriampahalemana dia mila fantarina ny fototra niaviany. Anisany ny tsy fananan’asa, tsy fandehanana any an-tsekoly, ny tsy maty manota, ny fanazavana ny tanàna, haratsin’ny kalitaon’ny rafitra momba ny filaminana anatiny sy ny fitsarana. Vahaolana lehibe sy tokony homen-danja ny famoronan’asa. Rehefa miasa ny tanora, manana fidiram-bola. Raha tsy io no ahitana vahaolana maty paika, na hampitomboina avo roa heny aza ny fonja sy ny mpitandro ny filaminana, hisy foana ny olon-dratsy. Eo ihany koa ny fanabeazana ho olom-pirenena sy ara-pitondran-tena, ny firaisankina, fanabeazana maha olom-banona eo amin’ny seha-piarahamonina rehetra, izay mila mandray andraikitra avokoa toy ny sekoly, fiangonana, fikambanana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina, orinasa, tambajotra ara-tsosialy, fonja, firaisamonim-pirenena. Eo ihany koa ny fanafoanana ny tsimatimanota sy ny fitovian’ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Niaraha-nahita, ohatra, ny raharaha Antsakabary, ka ny olona 5 avy amin’ny vahoaka voalaza fa nahafaty polisy no nigadra tany am-ponja fa ireo polisy 40 lahy nandoro trano 800 mahery afa-bela. Mila fanadiovana lalina ihany koa ny fitsarana, ny polisim-pirenena, ny zandarimaria, ny ladoany, ny fampirehetana ny jiro rehetra manazava ny tanàna. Ny fandraisana andraikitra eny ifotony, toy ny fanesorana ireo toerana kizokizo, mora hanaovana asa ratsy, izay ny fokontany dia afaka manao azy. Eo ihany koa ny famerenana amin’ny laoniny ny rafitra ara-pandriampahalemana, ka polisy na zandary iray, ohatra, ho an'ny olona 100 ao anaty hodidina 500 metatra, fanamafisana ny fanadihadiana ara-tsaina sy ara-pitondran-tena amin’ny fandraisana mpitandro ny filaminana. Mila amboarina hamaly an'ireo drafitra ireo ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana isan-taona ho an’ny mpitandro ny filaminana. Misy vola be ao fa ny fitantanana sy ny halatra no betsaka, hany ka tsy misy fiantraikany firy amin’ny vahoaka ny fampiasana azy.  Miezaka milaza ho miady amin’ny tsy fandriampahalemana rahateo ny fanjakana, ary mila mampiseho fa miasa. Nanaovana lanonambe tany Ambovombe ny 16-17 novambra, ohatra, ny ady amin’ny fitsaram-bahoaka, izay nambaran-dRasolo Elyse Alexandrine  fa mariky ny tsy fanajana ny zon’olombelona. Zava-doza ny fitsaram-bahoaka. Tsy tompon’ny aina isika, ka ny olona mandatsaka ain’olona dia mpamono olona. Eo anivon’ny fitsarana, mpitandro ny filaminana, aoka tsy ho avy amintsika no hiavian’ny fanafintohinana, hoy kosa ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Ny irariana dia tsy seho ivelany fotsiny izany, fa mba ho lasa hiteraka vokatra azo tsapain-tanana.

 

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT